Manolotra ny fiainany ny Tompo
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 23 Aprily 2018
Manolotra ny fiainany ny Tompo
Levitikosy 4.13-21
13 Ary raha ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, kosa no manota tsy nahy, fa misy tsy hitan'ny mason'ny fiangonana, ary mandika ny anankiray amin'ny didin'i Jehovah amin'izay tsy tokony hatao izy ka meloka, 14 rehefa fantatra ny ota izay nataony, dia hanatitra vantotr'ombilahy ny fiangonana ho fanatitra noho ny ota ka hitondra azy ho eo anoloan'ny trano-lay fihaonana. 15 Ary ny loholon'ny fiangonana hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy eo anatrehan'i Jehovah; ary ny vantotr'ombilahy dia hovonoina eo anatrehan'i Jehovah. 16 Ary hangalan'ny mpisorona voahosotra ny ran'ny vantotr'ombilahy ka ho entiny ho ao amin'ny trano-lay fihaonana, 17 ary ny mpisorona hanoboka ny fanondrony amin'ny rà, ka hafafiny impito eo anatrehan'i Jehovah, dia eo anoloan'ny efitra lamba. 18 Ary hangalany koa ny rà ka hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara izay eo anatrehan'i Jehovah, dia ilay ao anatin'ny trano-lay fihaonana, ary ny rà sisa rehetra dia haidiny eo ambodin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, izay eo am-baravaran'ny trano-lay fihaonana. 19 Dia hanaisotra ny saborany rehetra izy ka handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara. 20 Ary ny vantotr'ombilahy dia hataony tahaka ny efa nataony tamin'ny vantotr'ombilahy izay natao fanatitra noho ny ota, toy izany no hanaovany azy; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho an'ny olona, dia havela ny helony. 21 Ary ny vantotr'ombilahy dia havoakany ho eny ivelan'ny toby ka hodorany tahaka ny efa nandoroany ny vantotr'ombilahy voalohany; dia fanatitra noho ny ota ho an'ny fiangonana izany.Manolotra ny fiainany ny Tompo
Levitikosy 4.13-21
Ny ahazoana famelankeloka
1-Fanatitra alatsa-drà
Noho ny fahotana dia tapaka ny fifandraisana amin’ Andriamanitra . NY ran’ny vantotr’ombilahy no mila alatsaka hamerenana indray izany . Eo anoloan’ny tranolay fihaonana ao anatiny sy eo am-baravarany (and16-18) no atete izany. Izany hoe: eo anelanelan’ny toerana masina indrindra misy an’ Andriamanitra sy ny toerana masina fanompoan’ny mpisorona. Ny ran’i Jesoa Kristy latsaka teo ambony hazo fijaliana , dia ampy sy feno hisolo ny karazan’ny otan’ny zanak’olombelona rehetra . Fanatitra tokana sy tanteraka io , ka azo antoka indrindra .
2-Fanatitra mahafaka ota
Ny ambin’ny « vantotr’ombilahy rehetra kosa dia havoakany ho eny ivelan’ny toby ka hodorany »(and21a). Manambara izany fa tsy manana toerana eo anivon’ny vahoakan’ Andriamanitra intsony ny fahotana . Manamarina izany ny ambaran’i Paoly Apostoly hoe: »Koa raha misy olona ao amin’i Kristy dia olom-baovao izy« (2 Kor 5.17). Azo antoka sy tonga lafatra ny famelan-keloka rehefa ao amin’i Jesoa Kristy . Azo antoka sy tonga lafatra ny famelankeloka rehefa ao amin’i Jesoa Kristy. Anjarantsika mpino ny mamoaka ivelan’ny fiainantsika izay rehetra endrika pentipentin’ny ota ka maharatsy na mahatapaka mihitsy ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra.
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM