Manolotra ny fiainany ny Tompo
Mofonaina anio: Talata, faha 24 Aprily 2018
Manolotra ny fiainany ny Tompo
1 Jaona 5.1-12
1 Izay rehetra mino fa Jesosy no Kristy dia naterak'Andriamanitra; ary izay rehetra tia Izay niteraka dia tia izay naterany koa. 2 Izao no ahafantarantsika fa tia ireo zanak'Andriamanitra isika, dia ny itiavantsika an'Andriamanitra sy ny ankatoavantsika ny didiny. 3 Fa izao no fitiavana an'Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny, sady tsy mavesatra ny didiny. 4 Fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika. 5 Iza moa no maharesy izao tontolo izao afa-tsy izay mino fa Jesosy no Zanak'Andriamanitra? 6 Izy ilay avy tamin'ny rano sy ny rà, dia Jesosy Kristy; tsy tamin'ny rano ihany, fa tamin'ny rano sy ny rà. Ary ny Fanahy no manambara, satria ny Fanahy no fahamarinana. 7 Fa misy telo izay manambara, 8 dia ny Fanahy sy ny rano ary ny rà; ary mifanaraka tsara izy telo. 9 Raha mandray ny fanambaran'ny olona isika, lehibe lavitra ny fanambaran'Andriamanitra; fa ny fanambaran'Andriamanitra dia ny nanambarany ny Zanany. 10 Izay mino ny Zanak'Andriamanitra no manana ny fanambarana ao anatiny; izay tsy mino an'Andriamanitra dia efa nampandainga Ary, satria tsy mino ny fanambarana izay nanambaran'Andriamanitra ny Zanany izy. 11 Ary izao no fanambarany: Fiainana mandrakizay no omen'Andriamanitra antsika, ary ao amin'ny Zanany izany fiainana izany. 12 Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana; izay tsy manana ny Zanak'Andriamanitra no tsy manana ny fiainana.Manolotra ny fiainany ny Tompo
1 Jaona 5.1-12
Ny finoana an’i Jesoa Kristy
1-Miseho amin’ny fankatoavana ny didiny (and1-5)
Ny finoana ny fitiavan’i Kristy sy ny fankatoavana ny didiny dia mifameno . Izay tia sy mino an’i Kristy dia tsy maintsy mitandrina ny didiny. Mety ho mora na mety ho sarotra ny mankato sy manaraka ireo didin’ Andriamanitra ireo amin’ny maha-nofo aman-drà antsika . Saingy , ny finoana ny herin’iLay zanak’ Andriamanitra miasa ao anatintsika no mampandresy ka hahatanterahana ilay hoe: « fankatoavana ny didiny ».
2-Antoka hananana ny fiainana mandrakizay (and9-11)
-Ny rà indray kosa ilay manambara ilay fanatitra tokana sy tanteraka naterina teo ambony hazo fijaliana . Ambara fa araha tsy misy rà latsaka dia tsy misy famelankeloka . Noho izany , io no hahazoana famindrampo sy famonjena . Manambara ny Fanasan’ny Tompo izany .
-Ny Fanahy Masina , Ilay Herin’ Andriamanitra miasa ao amin’izay mino , dia ilay nomena mba hampahery. Ireo telo ireo no omena ny mpino maimaimpoana mba hahazoany antoka ny fahazoana mandova ny lanitra.
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM