Manolotra ny fiainany ny Tompo
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 02 Aprily 2018
Manolotra ny fiainany ny Tompo
Joba 19.21-29
21 Mamindrà fo amiko, mamindrà fo amiko ianareo, ry sakaizako ô; fa ny tànan'Andriamanitra efa mikasika ahy. 22 Nahoana no manenjika ahy tahaka an'Andriamanitra koa ianareo ka tsy mety afa-po amin'ny nofoko? 23 Enga anie ka ho voasoratra ny teniko! Enga anie ka ho voatomboka eo amin'ny boky ireny! 24 Enga anie ka ho voasoratra amin'ny vy fanoratana sady voasy firaka eo amin'ny vatolampy ho mandrakizay izy! 25 Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra* ahy, ka hitsangana any am-parany** eo ambonin'ny vovoka Izy.[*Heb. Goela][**Na: ho farany] 26 Ary rehefa levona ny hoditro, izao simba izao, sady afaka amin'ny nofoko aho, dia hahita an'Andriamanitra*;[Na: Dia hahita an'Andriamanitra amin'ny nofoko aho] 27 Eny, izaho no hahita Azy, ary ny masoko no hijery, fa tsy olon-kafa. Efa matim-paniriana ny saiko* ato anatiko.[Heb. voako] 28 Raha hoy ianareo: Andeha hanenjika azy fatratra isika. Fa hita ao anatiny* ny fototry ny mahameloka azy**.[*Heb. anatiko][**Heb. ahy] 29 Dia matahora ny sabatra ianareo; Fa ny fahatezerana dia heloka mendrika ny hovalian-tsabatra, mba ho fantatrareo fa misy fitsarana.Manolotra ny fiainany ny Tompo
Joba 19.21-29
Aza menatra!Ambarao ny finoanao!
Natoky an’ Andriamanitra hatrany i Joba ka sahy nanambara ny finoany tamin’ireo namany . Aza menatra manambara ny finoantsika , ka ambarao :
1-Fa Andriamanitra velona Izy
Fanambaram-pinoana miezinezina no nambaran’i Joba eto (and25 ) . Ny fahatokiana fa velona Andriamanitra dia mamelona fanantenana lehibe aoa anatintsika . Velona ny Tompo ka afaka ny hitondra fahavelomana sy hanolotra fiainana ho antsika koa Izy (Jao 14.19).
2-Ny maha- Mpanavotra Azy
Mpanavotra no niantsoana ny havana izay manam-pitiavana lehibe ka afaka ny hiaro, na hisolo vava na hanampy amin’ny ady na hanafaka amin’ny fanandevozana (Lev 25.25 ; Deo 25.5-10 ; Rota 1-4) . Jesoa no Mpanavotra azo antoka indrindra . Ny Rany latsaka teo amin’ny hazo fijaliana no nanavotany antsika (1 Pet 1.18-19) .
3-Ny tsy maintsy hifanatrehan-tava Aminy
Efa nino ny fisian’ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty ireo zokintsika amin’ny finoana toa an’i Joba . Ny fifanatrehan-tava amin’ Andriamanitra aorian’ny fahafatesana indrindra no tiana ambara eto (and26-27). Tsy misy mihitsy fotoana mampisaraka ny mino amin’ Andriamanitra (Rom 8.38-39).
Fanontaniana :
Ampitahao amin’ny fanekem-pinoantsika izay voalaza eto .
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM