Manolotra ny fiainany ny Tompo 

Mofonaina anio: Alarobia, faha 04 Aprily 2018

Manolotra ny fiainany ny Tompo 

Salamo 34.11-22
11 Avia, anaka, mihainoa ahy; ny fahatahorana an'i Jehovah no hampianariko anareo. 12 Na iza na iza ianao no maniry fiainana ka tia andro maro hahitana ny soa, 13 Dia arovy ny lelanao amin'ny ratsy ary ny molotrao mba tsy hiteny fitaka. 14 Halaviro ny ratsy, manaova soa; mitadiava fihavanana, ka araho izany. 15 Ny mason'i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany. 16 Ny tavan'i Jehovah tezitra amin'ny mpanao ratsy kosa, mba hofongorany tsy ho eo amin'ny tany ny fahatsiarovana azy. 17 Mitaraina ny marina, ary mihaino azy Jehovah ka mamonjy azy amin'ny fahoriany rehetra. 18 Akaikin'izay manana fo mangorakoraka Jehovah, ary mamonjy izay torororo fanahy. 19 Maro ny fahorian'ny marina; nefa Jehovah manafaka azy amin'izany rehetra izany. 20 Miaro ny taolany rehetra izy; tsy hisy ho tapaka ireny na dia iray akory aza. 21 Hahafaty ny ratsy fanahy ny fahoriana; ary ny mankahala ny olo-marina hohelohina. 22 Fa Jehovah manavotra ny fanahin'ny mpanompony, ka tsy mba hisy hohelohina izay rehetra mialoka aminy.

Manolotra ny fiainany ny Tompo 

Salamo 34.11-22

Mandraisa  fananarana   avy amin’ny Tompo

Toy  ny Ray be fitiavana  mananatra  ny zanany  Andriamanitra  ka manoro  làlana antsika mba hahazoantsika miaina finaritra .

1-Fehezo  ny  vava (and13)

Halan’ Andriamanitra  ny lela miteny  ratsy  ny namany   sy ny molotra  miteny   fitaka  (Mat 5.22). mahaiza  mandanjalanja  ny  teny  aloaky  ny vava mba  tsy   hitondra fanafitohinana ho an’ny hafa (Kol 4.6) .

2-Mitadiava  fihavanana (and14)

Ny  fanaovantsoa amin’ny  mpiara-belona no mahatsara   fihavanana . Alaviro  mandrakariva  ny fomba sy toetra tsy  hanisy ratsy   ny  mpiara- belona , fa aoka  samy  halemy   fanahy  amin’ny namany avy . Raha  azo atao  dia ataovy izay hihavanana  amin’ny olona  rehetra  , indrindra fa ny  mpianakavin’ny finoana (Rom 12.18).

3-Manaova  ny  marina 

Ny  olona  mitandrina  sy mankato  ny Tenin’ Andriamanitra no ambara  ho olo-marina araka ny Soratra masina . Maro  ny tombotsoa  aterak’izany  voatanisa eto : tsinjovin’ Andriamanitra  izy  , henoin’ Andriamanitra ny fitarainany  , mamonjy  azy amin’ny fahoriany Izy , mahazo  fiarovana  avy  amin’ Andriamanitra izy   ka  tsy  mba hohelohina .

Fanontaniana:

Inona  no vato  misakana  anao   tsy hahafahanao mihavana  amin’ny olona rehetra ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM