Manolotra ny fiainany ny Tompo
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 07 Aprily 2018
Manolotra ny fiainany ny Tompo
Ohabolana 8.32-36
32 Koa mihainoa ahy ianareo, anaka; Fa sambatra izay manaraka ny diako; 33 Minoa anatra, ka hendre, Fa aza mandà. 34 Sambatra izay olona mihaino ahy Ka miari-tory mandrakariva eo am-bavahadiko, Ary miandry eo amin'ny tolam-baravarako. 35 Fa izay mahita ahy dia mahita fiainana Sady mahazo sitraka amin'i Jehovah; 36 Fa izay diso ahy kosa mampidi-doza amin'ny fanahiny; Ary izay rehetra mankahala ahy tia fahafatesana.Manolotra ny fiainany ny Tompo
Ohabolana 8.32-36
Miantso Rafahendrena
Aseho ho toy ny olombelona ny fahendrena eto.Tanteraka tao amin’i Jesoa izany fahatongavany ho olona izany ,satria Izy no ilay herin’ Andriamanitra sy fahendren’ Andriamanitra (1 Kor 1.24). Miantso Jesoa ilay Fahendrena koa:
1-Mihainoa mandrakariva Azy mba ho sambatra isika(and32-34)
Mitaona antsika ho liana amin’ny fihainoana ny anatra sy ny fanarahan-dia Azy ny Tompo . Fiainana sy fahasambarana no aterak’izany fanarahana ny Tompo sy fihainoana ny teniny izany raha toa ka iainantsika sy ampiharintsika eo amin’ny fiainana andavanandro .
2-Tadiavo Izy mba hahita fiainana isika (and35)
Izay mitady no mahita , hoy i Jesoa (Mat 7.8) . Izay mitady fiainana ka maniry ny hahita izany dia tsy maintsy manao izay hifankahitany amin’i Jesoa amin’ny Soratra masina (Jao 5.39-40). Fahasoavana roa sosona no ateraky izany : fiainana sy fankasitrahana .
3-Tiavo Izy mba ho velona isika (and36)
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM