Manolotra ny fiainany ny Tompo

Mofonaina anio: Talata, faha 10 Aprily 2018

Manolotra ny fiainany ny Tompo

Ohabolana 16: 10-16
10 Ny teny marina dia eo amin'ny molotry ny mpanjaka, Ary tsy diso teny izy, raha mitsara. 11 An'i Jehovah ny fandanjana sy ny mizana marina, Avy aminy* avokoa ireo vato rehetra an-kitapo.[Heb. Asany] 12 Fahavetavetana eo imason'ny mpanjaka ny fanaovan-dratsy; Fa fahamarinana no iorenan'ny seza fiandrianana. 13 Sitraky ny mpanjaka ny molotra marina, Ary izay miteny mahitsy no tiany. 14 Ny fahatezeran'ny mpanjaka dia iraky ny fahafatesana. Fa ny olon-kendry mampionona izany. 15 Amin'ny fahamiramiranan'ny tarehin'ny mpanjaka dia misy fiainana, Ary ny fankasitrahany dia toy ny rahona amin'ny fararano. 16 Tsara ny mahazo fahendrena noho ny volamena, Ary tsara ny mahazo fahalalana noho ny volafotsy.

Manolotra ny fiainany ny Tompo

Ohabolana 16: 10-16

Ny Mpanjaka manolotra fiainana

1- Milaza ny marina ihany
2MP 19Marina Andriamanitra amin’ny fitondrany ny vahoakany. Tsy maintsy mampiseho izany fahamarinan’Andriamanitra izany koa ny mpanjaka amin’ny maha solotenan’Andriamanitra azy ka milaza ny marina amin’ny vahoakany (and 10a). Manana adidy hilaza ny marina amin’ny vahoaka ny mpitondra sy ny manam-pahefana rehetra raha te-hanome fiainana ho azy ireo. I Jesoa no ilay Mpanjaka manolotra fiainana ho antsika satria ny marina rehetra no ambarany amintsika. Fiteniny mazàna ny hoe: « Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa ». Ao amin’izany teniny izany no misy fiainana ho antsika.

2- Mitsara marina ihany
Andriamanitra no Mpitsara marina. Solotenan’ Andriamanitra hampiseho izany eo amin’ny vahoaka ny mpanjaka koa tsy maintsy mitsara araka ny fahamarinana izy mba hampisy filaminana, Manameloka izay nanao fahadisoana fa mamaly fitia kosa ireo izay hita fa mendrika sy mandeha amin’ny fahitsiana (and 10a-15). I Jesoa koa no Mpitsara marina (2 Tim 4, 1).

Fanontaniana :

Inona avy no mety ho voka-dratsin’ny kobaka am-bava ataon’ny mpitondra?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM