Manolotra ny fiainany  ny  Tompo 

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 14 Aprily 2018

Manolotra ny fiainany  ny  Tompo 

Salamo  145.15-21
15 Ny mason'izao rehetra izao miandrandra Anao, Ary Hianao manome azy ny haniny amin'ny fotoany. 16 Manokatra ny tananao Hianao Ka mahavoky soa ny zava-miaina rehetra. 17 Marina Jehovah amin'ny lalany rehetra, Sady mamindra fo amin'ny asany rehetra. 18 Jehovah dia eo akaikin'izay rehetra miantso Azy, Dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa. 19 Hanefa ny irin'izay matahotra Azy Izy Ary hihaino ny fitarainany ka hamonjy azy. 20 Miaro izay rehetra tia Azy Jehovah; Fa ny ratsy fanahy rehetra kosa haringany. 21 Ny fiderana an'i Jehovah no hotenenin'ny vavako; Ary aoka ny nofo rehetra hankalaza ny anarany masina mandrakizay doria.

Manolotra ny fiainany  ny  Tompo 

Salamo  145.15-21

Mendrika ny hankalazaina ny  Tompo 

Tononkira  fiderana  nataon’i Davida  no  fanandratana  sy fankalazana an’ Andriamanitra ity  Salamo  145 ity . Ny  fitondran’ Andriamanitra  izao  tontolo izao  sy ny asany  dia tena mahagaga tokoa . Mpanjaka lehibe  manam-pahendrena  sy manam-pitiavana ny  olony  sy ny voahariny  manontolo Andriamanitra ka mendrika ny hankalazaina satria :

-Izy  no antenain’izao rehetra izao (and15a) . Tsy  misy  azo andrandraina  hitondra famonjena ho an’izao tontolo izao  afa-tsy Andriamanitra irery ihany . (Jao 3.16)

-Izy  no  mamelona  ny manananaina rehetra (and15b-16). Toy ny Ray  mamelona  ny ankohonany  Andriamanitra  ka manolotra izay  hanina  mahavelona azy isanandro  sy ara-potoana , fahatanterahan’ny vavaka nampianarin’ny Tompo izany .

-Mamindra fo  amin’ny  voahariny  rehera Izy (and17). Fitiavana  lehibe  ihany  koa no  azo ilazana  izany  famindrampon’ Andriamanitra zany (Jer 31.3)

-Akaikin’izay miantso  Azy Izy  (and18). Tsy  lavitra  fa akaiky   mandrakariva  ny Tompo  ka mihaino  ny  fitarainan’ izay  matoky  Azy Izy (and 19) .

-Mamaly  ny  olona  araka ny asany  Izy  (and20). Mahazo  fiarovana avy Aminy izay  matahotra Azy . Fandringanana kosa no miandry ny ratsy fanahy .

Fanontaniana: