Manolotra ny fiainany ny Tompo
Mofonaina anio: Alahady, faha 15 Aprily 2018
Manolotra ny fiainany ny Tompo
Asan'ny Apostoly 11.1-18
1 [Ny namalian'i Petera ny olona izay nanome tsiny azy] Ary ny Apostoly sy ny rahalahy izay tany Jodia dia nahare fa ny jentilisa koa efa nandray ny tenin'Andriamanitra. 2 Ary nony tafakatra tany Jerosalema Petera, dia nila ady taminy ny mino izay isan'ny voafora 3 ka nanao hoe: Efa niantrano tany amin'ny olona tsy voafora ianao sady niara-nihinana taminy. 4 Ary Petera dia nitantara izany taminy hatramin'ny niandohany ka nanao hoe: 5 Tany an-tanàna Jopa aho ka nivavaka, ary azon-tsindrimandry aho, dia nahita fahitana, ka, indro, nisy zavatra nidina avy tany an-danitra toa lamba lehibe nampidinina tamin'ny zorony efatra, dia nankeo amiko izany; 6 ary raha nijery sy nandinika azy aho, dia hitako ny biby et? an-tany, izay manan-tongotra efatra, sy ny bibi-dia sy ny zava-mandady sy mikisaka ary ny voro-manidina koa. 7 Ary nandre feo koa aho nanao tamiko hoe: Mitsangàna, ry Petera, vonoy, ka hano. 8 Fa hoy izaho: Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola niditra tamin'ny vavako izay zava-padina na tsy madio. 9 Ary nisy feo avy tany an-danitra namaly fanindroany hoe: Izay efa nodiovin'Andriamanitra aza ataonao ho fady. 10 Ary intelo no nanaovana izany, dia nosarihana niakatra tany an-danitra indray izany rehetra izany. 11 Ary tamin'izay dia, Indreo, nisy telo lahy nijanona teo anoloan'ny trano nitoeranay, izay iraka avy tany Kaisaria hankeo amiko. 12 Dia nasain'ny Fanahy hiaraka tamin'ireo aho ka tsy hizaha tavan'olona na dia kely akory aza. Ary niaraka tamiko koa ireto rahalahy enina ireto, ka niditra tao an-tranon-dralehilahy izahay. 13 Ary nambarany taminay ny nahitany ny anjely nitsangana tao an-tranony ka nanao hoe: Maniraha ho any Jopa, ka ampanalao Simona, izay atao hoe koa Petera; 14 izy hilaza teny aminao, izay hamonjena anao sy ny ankohonanao rehetra. 15 Ary raha vao niteny aho, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina tahaka ny tamintsika fahiny. 16 Dia nahatsiaro ny tenin'ny Tompo aho, izay nolazainy hoe: Jaona nanao batisa tamin'ny rano, fa ianareo kosa dia hatao batisa amin'ny Fanahy Masina. 17 Koa raha mba homen'Andriamanitra azy ny fanomezana, tahaka antsika fony isika vao nino an'i Jesosy Kristy Tompo dia iza moa aho no hahasakana an'Andriamanitra? 18 Ary rehefa nandre izany ireo, dia nangina sady nankalaza an'Andriamanitra ka nanao hoe: Efa nomen'Andriamanitra ny jentilisa koa ny fibebahana hahazoany fiainana.Manolotra ny fiainany ny Tompo
Asan’ny Apostoly 11.1-18
Efa nomen’ Andriamanitra ny jentilisa koa ny fibebahana hahazoany fiainana » (a
18a)
1-Ho an’ny olona rehetra
Tamin’ny fahitana no nanehoan’ Andriamanitra tamin’i Petera fa tsy ho an’ny Jiosy irery ny famonjena notanterahiny tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy (and1-10) . Nanaiky izany i Petera ka nandeha nitory tamin’ny jentilisa na dia voararan’ny lalàna Jiosy aza izany . Tsy manavaka Andriamanitra . Ny olona rehetra no tiany hovonjena sy tolorana fiainana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy . Niatomboka teo amin’ireo Jiosy nino Azy izany ary mipaka aty amintsika ihany koa( and18).
2-Amin’ny alalan’ny fibebahana
Ny fibebahana no handraisana ny fiainana atolotr’i Jesoa . Na iza na iza no tonga amin’ny fibebahana marina dia mandray fiainana avy Aminy . Ny fenekena an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy no midika ho fibebahana ho an’ny Jentilisa . Ny fiverenana amin’ Andriamanitra kosa no hevitr’ izany ho an’ny efa mino kanefa zary nanalavitra Azy noho ny fahotana .Izay mino ny fanambaran’ Andriamanitra ny amin’ny maha- Mpamonjy an’i Jesoa ka mandray ny Fanahy masina no handray fiainana mandrakizay avy Aminy (and13-18).
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM