Manolotra ny  fiainany ny  Tompo

Mofonaina anio: Talata, faha 17 Aprily 2018

Manolotra ny  fiainany ny  Tompo

Jaona 10.11-18
11 Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry. 12 Ary ny mpikarama, satria tsy mpiandry na tompon'ny ondry izy, koa raha mahita ny amboadia* avy, dia mandao ny ondry ka mandositra, ary ny amboadia* misambotra ny ondry ka mampihahaka azy; [*lopa] 13 mandositra izy, satria mpikarama ka tsy mitandrina ny ondry. 14 Izaho no Mpiandry Tsara; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho, 15 dia tahaka ny ahafantaran'ny Ray Ahy sy ny ahafantarako ny Ray; ary Izaho manolotra ny aiko hamonjy ny ondry. 16 Manana ondry hafa izay tsy amin'ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry. 17 Ary izany no itiavan'ny Raiko Ahy, satria Izaho manolotra ny aiko mba handraisako azy indray. 18 Tsy misy manaisotra ny aiko amiko, fa ny tenako ihany no manolotra azy. Manana fahefana hanolotra azy Aho, ary manana fahefana haka azy indray. Izany didy izany dia azoko tamin'ny Raiko.

Manolotra ny  fiainany ny  Tompo

Jaona 10.11-18

Ny Mpiandry  dia sary  entina nilazana an’Andriamanitra  mpitarika sy mpiaro  ny  vahoakany, na ny  mpanjaka mesianika, na ireo  tomponandraikitra  teo  amin’Israely. IJesoa Ilay  Zanak’ Andriamanitra no nahatanteraka izany hitondra ny olona ho any amin’ny fiainana mandrakizay.

IJesoa Mpiandry tsara 

1-Manolotra ny ainy 

Tsy azo ampitahaina na oviana na oviana  amin’ny mpiandry mpikarama izay mandositra  ny  ondry amin’ny fotoan-sarotra ny mpiandry tsara. Manana hadiry hatramin’ny fanolorana ny aina mantsy ny Mpiandry tsara.Izany fanolorana ny aina izany dia vokatry ny nahim-po madiodion’ny Mpiandry tsara (and18). Ampy ho an’ny olona rehetra tsy ankanavaka io fanolorantenan’i Jesoa ny ainy io. Koa tsy azo soloina zavatra intsony.

2-Mahafantatra ny ondriny

« Fantatro ny Ahy ».Fahafantarana lalina tahaka ny misy  eo amin’ny raiamandreny sy ny zanaka  no hita eto. Fantany avokoa ny fiantsoana, ny  toerana misy azy ary na ny  hitondrana azy ireo aza. Mampiseho izany fa vonona handray an-tànana hatramin’ny antsipirihany kely indrindra eo amin’ny fiainan’ny mpanompony Izy Andriamanitra. Afaka mifandray akaiky sy lalina  kokoa amin’ny Tompo isika satria fantany.

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady  FOIBE FJKM