Manolotra  ny fiainany ny Tompo

Mofonaina anio: Alarobia, faha 18 Aprily 2018

Manolotra  ny fiainany ny Tompo

Deoteronomia 30.19-20
19 Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao, 20 dia ny ho tia an'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hihaino ny feony sy hifikitra aminy; fa izany no fiainanao sy fahamaroan'ny andronao, mba honenanao eo amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao, homena azy.

Manolotra  ny fiainany ny Tompo

Deoteronomia 30.19-20

Manao  fanekena amin’ny vahoakany  Andriamanitra 

1-Manome  safidy  malalaka Izy

« Miantso  ny  lanitra sy ny tany Aho  anio ho vavolombelona  aminareo  fa efa nataoko  teo  anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary  ny  fitahiana  sy  ny fanozonana« . Miharihary eto ny maha- fitiavana  an’ Andriamanitra . Tsy  manery  fa  manome malalaka ny  olona hisafidy izay mahametimety azy Izy, na fiainana na fahafatesana. Tomponandraikitra eo anoloan’ny  safidiny ny tsirairay, satria efa nampahafantarina mialoha izay ho  vokatry ny safidiny(Deo11.26-28). Efa hatramin’ny voalohany sy mandraka ankehitriny dia Andriamanitra manaja ny safidin’ny olombelona Izy. Koa mahaiza misafidy tsara ho  amin’ny fiainana.

2-Manolo-kevitra Izy mhahahay misafidy

« Koa  mifidiana ny fiainana mba ho velona ianao sy ny taranakao« . Adama, ilay olona voalohany  nisafidy ny fahafatesana. Raha azon’ Andriamanitra atao ny misafidy ho antsika, dia aleony isika misafidy fiainana. Satria tsy tiany ho very isika. Ekeo àry izany fitarihan’Andriamanitra  izany fa tsy manolo-bato mafana Izy. Efa nisafidy hanolotra ny zanany lahitokana hanome fiainana ho an’izao tontolo izao  Andriamanitra rahateo Izy.  Rehefa izany dia ho tia Azy ka hihaino  ny feony sy hifikitra Aminy isika , fa izany no fiainana sy fitahiana .

Fanontaniana:

Inona no  fototry ny olana mampivarina ny safidin’ny olona maro ho any  amin’ny ozona sy ny fahafatesana?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM