Manokatra lalana ho antsika ny Tompo

Mofonaina anio: Alahady, faha 03 Aogositra 2025

(Apo 15.3b-4 / Hira 488 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 5)

Jaona 14. 1-7
1 Aza malahelo ny fonareo; minoa an'Andriamanitra, ary minoa Ahy koa*. [*Na: mino an'Andriamanitra ianareo, dia minoa Ahy koa] 2 Ao an-tranon'ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. 3 Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa. 4 Ary fantatrareo koa ny lalana ho any amin'izay halehako*. [*Na: (ary izay alehako dia fantatrareo, ary fantatrareo koa ny lalana)] 5 Hoy Tomasy taminy: Tompoko, tsy fantatray izay alehanao; ka hataonay ahoana no fahafantatra ny lalana? 6 Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako. 7 Raha nahafantatra Ahy ianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin'izao dia mahafantatra Azy ianareo sady efa nahita Azy.

« Handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho » (and2). Nampionona ny fon’ny mpianatra i Jesoa. Fantany fa tsy mora arnin’ireo mpianatra ireo ny hisian’ny fisarahana. Manome toky anefa ny Tompo fa tsy ho fisarahana mandrakizay izany, fa mandalo ihany. Mialoha lalana azy ireo Jesoa, hamboatra fitoerana hivantanan’ny mpino rahatrizay. Tena sambatra isika manana an’i Jesoa.

Hoy Jesoa: « Ho avy indray (Aho), ka handray anareo« : Fampaherezana telo sosona no hita taratra amin’izao Tenin’i Jesoa izao: Velona mandrakizay Jesoa, ho avy indray Izy ary handray ny olom-boavonjy. Manaporofo izany fa tena tsy very maina ny fikelezan’aina ao Aminy. Misy fetra ny hiaretantsika ireo zava-tsarotra samihafa. Eny fa na ny fisarahana amin’ireo havan-tiana aza dia mamelona fanantenana satria lalana hihaonana amin’i Jesoa izany.

« Ka izay itoerako no hitoeranareo koa » (and3d): Zava-dehibe izany toky omen’i Jesoa ny mpianany izany. Manomana toeram-boninahitra ho antsika ny Tompo. Toerana lavitry ny sento sy ny ranomaso. Toerana tsy ahitana aizina intsony. Toerana fiderana sy fanomezam-boninahitra Azy. Toeran’ny mpandresy. Toeran’ny voavela heloka. Toerana natokana hoan’ireo izay manao fitafiana fotsy madio, nosasana tamin’ny ran’ny zanak’ondry. Toerana misy an’i Jesoa Velona.

Inona avy no mampiavaka ny fanantenana kristiana?