Mankato dia loharanom-pitahiana

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 19 Febroary 2024

Deoteronomia 7.9-16

Deoteronomia 7.9-16
9 Koa aoka ho fantatrao fa Jehovah Andriamanitrao ihany no Andriamanitra, dia Andriamanitra mahatoky, Izay mitandrina fanekena sy famindram-po amin'izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, hatramin'ny taranaka arivo mandimby, 10 ary mamaly miharihary izay mandrafy Azy amin'ny fandringanana azy; tsy hitaredretra Izy ny amin'izay mandrafy Azy, fa hamaly azy miharihary. 11 Koa tandremo ny lalàna sy ny didy ary ny fitsipika, izay andidiako anao anio, ka araho izy. 12 Ary raha mihaino ireo fitsipika ireo ianareo ka mitandrina sy manaraka azy, dia hotanterahin'i Jehovah Andriamanitrao aminao ny fanekena sy ny famindram-po, izay nianianany tamin'ny razanao; 13 dia ho tia anao sy hitahy anao ary hahamaro anao Izy; ary Izy hitahy ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao, dia ny varinao sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao, ary ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman'osinao any amin'ny tany izay nianianany tamin'ny razanao homena anao. 14 Hotahina ianao mihoatra noho ny firenena rehetra; tsy hisy lahy na vavy tsy hiteraka, na ianareo na ny biby fiompinareo. 15 Ary harovan'i Jehovah tsy ho azon'aretina ianao, ka tsy hisy hameliny anao ny aretin-dratsin'i Egypta, izay fantatrao; fa hataony amin'izay rehetra mankahala anao kosa ireny. 16 Ary aoka holaninao ny firenena rehetra, izay hatolotr'i Jehovah Andriamanitrao anao, ka aoka tsy hiantra azy ny masonao; ary aza manompo ny andriamaniny, fa ho fandrika aminao ireny.

« Raha mihaino ireo fitsipika ireo ianareo ka mitandrina sy manaraka azy, dia hotanterahin’i Jehovah Andriamanitrao aminao ny fanekena » Fanontaniana telo azo omena valiny miainga amin’io andinin- tSoratra Masina io:

1. Iza no hotandremana?

Nomen’Andriamanitra fitsipika ny olona efa novonjeny sy nafahany. Ny hoe « ianareo » voalaza eto dia ny zanak’i Israely, izay nafahan’ Andriamanitra tamin’ny fanandevozana tany Egypta, tamin’ny fomba mahagaga. Izany hoe olom-boavonjy no asaina mitandrina fitsipika, fa tsy hoe asaina mitandrina fitsipika akory mba hovonjena. Tsy hafa amin’izany isika, satria efa nomen’Andriamanitra an’i Jesoa, hamonjy antsika, dia tokony hahay hitandrina ny didiny, porofom-pitiavana Azy rahateo izany. (Jao 14. 15)

2. Inona ny tombontsoan’ny Mankato?

« Hotanterahin’i Jehovah Andriamanitrao aminao ny fanekena ». Raha lazaina amin’ny teny tsotra dia izao, hotahian’ Andriamanitra izay Mankato Azy, imitandrina ny didiny. Mihatra amin’ny taranaka arivo mandimby mihitsy aza, araka ny voalaza eto. Ry olom-boavonjy! mankatoava dia hotahiana ianao.

3. Inona no miandry izay ny tsy Mankato?

« Mamaly miharihary izay mandrafy Azy, amin’ny fandringanana azy… » (and 10). Raha lazaina amin’ny teny hafa sy atao indray milaza dia hoe: Ny fahatezeran’Andriamanitra no miandry izay manao tsinontsinona Azy. Raha manohy mamaky ny Deoteronomia any amin’ny toko 28 isika, dia hahita mihitsy fa « ozona » no anjaran’ny tsy mpankato. Hevero izany!

Fanontaniana:

Inona izany no loharanom-pitahiana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe