« Manina sady vonton’alahelo ny kianjan’i Jehovah ny fanahiko »
Mofonaina anio: Alarobia, faha 16 Aprily 2025
(Sal 137,1-6/Hira: 16/Vavaka/Mofonaina/Vavaka/Hira:684)
Salamo 84. 1-7
1 [Alahelo ny tranon'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Al-hagitith. Salamo nataon'ny Koraita. Endrey ny hatsaran'ny tabernakelinao, Jehovah, Tompon'ny maro, ô! 2 Manina sady vonton'alahelo ny kianjan'i Jehovah ny fanahiko; ny foko sy ny nofoko mihoby an'Andriamanitra velona. 3 Eny, ny tsikirity mahita trano, ary ny sidintsidina mahita akany ho azy hametrahany ny zanany. Dia ny alitaranao, Jehovah, Tompon'ny maro ô, Mpanjakako sy Andriamanitro. 4 Sambatra izay mitoetra ao an-tranonao; hidera Anao mandrakariva izy. 5 Sambatra izay olona manan-kery avy aminao; ao am-pony ny lalana; 6 Raha mandeha mamaky ny lohasaha Baka* izy, Dia ataony misy loharano izany, ary ny loha-orana manarom-pitahiana azy.[Baka = Fitomaniana] 7 Miampy hery eny am-pandehanana izy; samy miseho eo anatrehan'Andriamanitra any Ziona izy rehetra.« Manina sady vonton’alahelo ny kianjan’i Jehovah ny fanahiko »
Ny olona tsy mahafoy ny fitoerana Masina:
1- Manambara mazava ny fahatsarany
« Endrey ny hatsaran’ny tabernakelinao Jehovah, Tompon’ny maro o! » (and 1): Ny tabernakely dia naorina tany an’efitr’i Sinay tamin’ny taonjato faha 15 talohan’i Kristy, toerana masina vita tamin’ny hazo sarobidy sady mateza. Talohan’ny nahavitan’i Solomona ny Tempoly dia tao no napetraka ireo fanaka masina sasany. Maro ireo endrika hita maso maneho ny fahatsaran’ny tabernakely. Manampy amin’ny fahazotoana mivavaka ny fisian’ny toerana manome voninahitra ny Tompo. Mandraisa anjara amin’ny fifampizarana sy fisarihana ny olona any ivelany.
2- Mahatsiaro lalandava sady manina azy fatratra…
« Manina sady vonton’alahelo ny kianjan’i Jehovah ny fanahiko »: Noho ny fitiavana ilay toerana masina dia tsy afaka an-tsaina ireo mombamomba azy: Ny kianjany, ny alitarany, ireo fanaka ao aminy. Manatrika antsika amin’ny alalan’ny fanompoam-pivavahana ny Tompo, ao amin’ny fitoerany masina. Rehefa manalavitra ireny toerana ahafahantsika mihaona Aminy manokana ireny isika dia toy ny manalavitra Azy ihany koa. Jesoa dia tsy vitan’ny manina ihany fa tena tamana tany amin’ny Tempoly.
3- Tamàna, ary mitoetra ao.
« Sambatra izay mitoetra ao an-tranonao » (ana+). Toerana ivavahana, anaterana fanatitra, iantsoana ny Tompo, ifandraisana Aminy, iderana Azy ny tranony; toerana mahatamana.
Fanontaniana
Inona avy ireo mahasarika anao ho any am-piangonana?
Sampana Sekoly Alahady Foibe