Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina
Mofonaina anio: Alarobia, faha 23 Mey 2018
Maneke hohavaozin'ny Fanahy Masina
Asan'ny Apostoly 4.27-31
27 Fa efa niangona marina tokoa teto amin'ity tanàna ity Heroda sy Pontio Pilato mbamin'ny jentilisa sy ny olona Isiraely hanohitra ny Mpanomponao* Masina, dia Jesosy Izay nohosoranao, [*Na: ny Zanakao] 28 mba hanao izay notendren'ny tananao aman-tsainao rahateo hatao. 29 Koa ankehitriny, Tompo ô, jereo ny fandrahonany; ary omeo anay mpanomponao ny mba hitory ny teninao amin'ny fahasahiana rehetra, 30 omban'ny aninjiranao ny tananao hahasitrana sy ny anaovana famantarana sy fahagagana amin'ny anaran'i Jesosy, Mpanomponao* Masina. [*: Na: Zanakao] 31 Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin'Andriamanitra tamin'ny fahasahiana.Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina
Asan’ny Apostoly 4.27-31
Ento eo amin’ny Tompo ny olana sy ny manahirana
1-Lazao Azy ny fototra olana
Vavaka nataon’i Petera sy i Jaona ary ireo mpino namany izao Mofonaina izao . Tsy nihafahafa izy ireo eo amin’ny and 27 nilaza ny fototra olana sy ny sokajn’olona mpanohitra ny finoana , ka nahatonga ny olona rehetra . Isika koa , rehefa tojo zava-manahirana dia aza misalasala milaza amin’ny Tompo ny fototry ny olana . Tsy hoe: manao tatitra na mampahafantatra fa mitaraina . Tsy ampahafantarinao ny zava-misy ny Tompo , satria efa fantany izany , fa natao hitarainana sy hilazana ny zava-manjo mbamin’ny olana kosa Izy.
2-Angataho ny hidirany an-tsehatra
« jereo ny fandrahonany »(and29). Fangatahana ny handraisan’ny Tompo an-tànana ny toe-draharaha izany , ary sady fitalahoana Aminy mba hiditra an-tsehatra . Tsara hataontsika izany , satria ny Tompo efa nampanantena antsika fa ho fahavalon’ny fahavalontsika ary ho rafin’ny rafintsika (Eks 23.22), sady momba sy hamonjy (Jer 1.8.19;15,20) . Ny fidiran’ Andriamanitra an-tsehatra amin’ny trangan-javatra iray manjo antsika dia tsy maintsy mitondra famonjena .
3-Angataho ny hanomezany hery
Tsy nangataka ny hanafoanana ny olana sy ny fanenjehana ireo mpino mivavaka ireto , fa nangataka ny hanomezana hery sy fahasahiana aza. Notanterahin’ny Tompo ny fangatahan’izy ireo , ka izany no nanomezany ny Fanahy masina (and31). Tsy ny hanesorana ny olana matetika no vahaolana , fa ny hanomezana ny herin’ny Fanahy hiatrehana ny zava-misy .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM