Maneke hohavaozin’ny Fanahy masina 

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 24 Mey 2018

Maneke hohavaozin'ny Fanahy masina 

2 Petera 1.16-21
16 Fa tsy nanaraka izay anganongano noforonin'ny fahafetsen'ny saina izahay, raha nampahafantatra anareo ny hery sy ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika; fa efa hitan'ny masonay ny fiandrianany. 17 Fa nahazo laza amam-boninahitra tamin'Andriamanitra Ray Izy, raha tonga teo aminy avy tamin'ny voninahitra lehibe indrindra ilay feo nanao hoe: "Ity no Zanako malalako izay sitrako" (Mat. 17.5). 18 Ary renay io feo avy tany an-danitra io, raha niara-nipetraka taminy tany an-tendrombohitra masina izahay. 19 Ary manana ny teny faminaniana atao mafy orina kokoa isika; koa raha mandinika izany ianareo, dia manao tsara, fa toy ny jiro mahazava ao amin'ny fitoerana maizimaizina izany, mandra-pahazavan'ny andro, ka miposaka ao am-ponareo ny fitarik'andro; 20 fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany; 21 fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy.

Maneke hohavaozin’ny Fanahy masina 

2 Petera 1.16-21

Hamafiso orina ny finoana 

1-Aoreno amin’ny Tenin’ Andriamanitra .

Marobe ny fampianarana feno hafetsifetsena notorin’ny sasany  tamin’ny andron’ny Apostoly , ka  nanimba  ny fiainan’ny  fiangonana . Mitovy  amin’ny ankehitriny ihany  izany. Izany  indrindra  no ijoroan’i Petera ho  vavolombelona  eo  amin’ny and 18, tamin’ny nandrenesany mivantana an’ Andriamanitra  niteny , nandritra  ny fiovan-tarehy  tao  an-tendrombohitra  (Mar 9.1) . Izany  no ilazany  hoe: « manana teny  mafy  orina kokoa isika » (and19). Voarakitra  ao amin’ny Soratra  masina  izany ankehitriny. Ao  no anovozy ny Tenin’ Andriamanitra  hanamafy  orina finoana. Izany  no  mahatonga  ny Protestanta  hanamafy  hoe: Ny  Soratra  masina  irery ihany  . Ivelan’ny Soratra masina  dia anganongano  foronina.

2-Aoreno  amin’ny famoahan-kevitry ny  Soratra  masina 

Ny andininy  roa  , ny faha- 20  sy  21 dia milaza   ny famoahan-kevitry ny  Soratra masina , misy  anjaran’ny  olona  izany  eo andaniny  ary  ny fanahy masina ankilany , tsy  fisainan’ny olona fotsiny  amin’ny fianarana  sy famakafakana  ary  fandalinana fa  tsy  maintsy  eo  ambany  fitarihan’ny Fanahy masina . Samy hadisoana  ny filazana  na ny hoe: asan’ny Fanahy fotsiny  ny famoahan-kevitry ny  Soratra masina  , na ny  hoe:  vitan’ny  asa sain’ny  olombelona  izany. Ny  tena finoana dia ny Tenin’ Andriamanitra  ampitainy  avy amin’ny Soratra masina , ka hazavain’ny  olona araka  izay  hitondran’ny  Fanahy   masina  azy  (vakio  and 21b). Izany  no re  ao am-piangonana . Koa  aoreno  amin’izany  ny finoantsika .

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM