Maneke hohavaozin’ny Fanahy masina
Mofonaina anio: Zoma, faha 25 Mey 2018
Maneke hohavaozin'ny Fanahy masina
1 Samoela 10.1-10
1 Ary Samoela nitondra tavoara feno diloilo ka nanidina ny diloilo teo an-dohan'i Saoly, dia nanoroka azy ka nanao hoe: Tsy nanosotra anao va Jehovah mba ho mpanapaka ny lovany? 2 Rehefa misaraka amiko ianao anio, dia hahita olona roa lahy eo anilan'ny fasan-dRahely, ao amin'ny fari-tanin'ny Benjamina, ao Zelza, ary izy ireo hilaza aminao hoe: Efa hita ny boriky izay notadiavinao; ary, indro, tsy ny boriky intsony no heverin'ny rainao, fa ianareo kosa indray no ahiny, ka hoy izy: Ahoana re no hataoko ny amin'ny zanako? 3 Dia handroso hiala ao ianao ka ho tonga ao amin'ny hazo terebinta any Tabara, dia hifanena amin'ny olona telo lahy miakatra ho any amin'Andriamanitra any Betela, ny anankiray mitondra zanak'osy telo, ny anankiray mitondra mofo telo, ary ny anankiray mitondra divay iray tavoara*; [Na: siny hoditra] 4 ary hiarahaba anao ireo sy hanome anao mofo roa, dia horaisinao amin'ny tànany izany. 5 Rehefa afaka izany, dia ho tonga any Gibean'Andriamanitra ianao, izay misy miaramilan'ny Filistina; ary rehefa tonga ao an-tanàna ianao, dia hifanena amin'ny mpaminany maro irai-dia midina avy ao amin'ny fitoerana avo mitondra lokanga sy ampongatapaka sy sodina ary valiha eo alohany, dia haminany ireo. 6 Ary hilatsaka aminao ny Fanahin'i Jehovah, ka hiara-maminany aminy ianao, dia ho voaova ho olom-baovao. 7 Ary rehefa tonga aminao ireo famantarana ireo, dia ataovy izay azon'ny tananao atao, fa Andriamanitra no momba anao. 8 Ary ianao hidina eo alohako ho any Gilgala, ary indro aho hidina ho any aminao mba hanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana; ka hafitoana no hitoeranao mandra-pahatongako aminao, dia holazaiko aminao izay hataonao. 9 Ary raha vao nihodina niala tamin'i Samoela izy, dia nomen'Andriamanitra fo vaovao; ary tonga avokoa androtrizay ihany ireo famantarana rehetra ireo. 10 Ary rehefa tonga tany Gibea, izy indro, ny mpaminany maro irai-dia nifanena taminy; dia nilatsaka tamin'i Saoly ny Fanahin'Andriamanitra, ka naminany teo aminy izy.Maneke hohavaozin’ny Fanahy masina
1 Samoela 10.1-10
Ary hilatsaka aminao ny Fanahin’i Jehovah , ka hiara-maminany aminy ianao , dia ho voaova ho olom-baovao »and 6
Ny asan’ny Fanahy eo amin’ny olona
1-Mampiombona
Ny nandraisan’i Saoly ny Fanahin’i Jehovah niombonany tamin’ireo vondrona mpaminany na mpaminany irai-dia, izay nantsoina hoe: zanaky ny mpaminany . Mampiombona ny Fanahy , ary mampiray sy mampikambana an’ireo izay samy efa nandray ny Fanahy . Tsy asan’ny Fanahy ny samy maka ho azy ao am-piangonana , ka lasa mpifaninana miteraka fialonana , na dia mody amboarina amin’ny hoe: fifaninanana masina aza izany . Asehoy fa iray ny Fanahy , ka mampiray antsika.
2-Mampiteny ny sitrapon’ Andriamanitra
« Hiara-maminany aminy ianao » , hoy i Samoela tamin’i Saoly . Tsy naminany i Saoly raha tsy nandray ny Fanahin’i Jehovah . Ny olona maminany dia tsy ny milaza zavatra ho avy , fa ny miteny ny hafatra sy milaza ny sitrapon’ Andriamanitra . Anisany ireo izay mitoriteny sy mitory Filazantsara . Tsy handray ireo andraikitra ireo isika raha tsy manaiky hotarihan’ny Fanahy . Tsy efan’ny sain’ny olona fotsiny ny fanambarana ny Tenin’ Andriamanitra .
3-Manova ny olona ho vaovao
« Ho voaova ho olom-baovao (ianao)« . Olona hafa no heviny eto na hoe: tsy ho toy ny teo aloha intsony . Tsy mitovy ny toetra sy fiainan’ny olona mbola tsy nandray ny Fanahy sy ny efa nomena ka nandray ny Fanahy sy ny efa nomena ka nandray ny Fanahy . Matoa tsy mahatsiaro fiovana isika , dia mety ho nandray ny Fanahy ihany isika , nefa tsy manaiky hotarihan’ny Fanahy .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM