Maneke hohavaozin’ny Fanahy masina 

Mofonaina anio: Alahady, faha 27 Mey 2018

Maneke hohavaozin'ny Fanahy masina 

Isaia 61.1-9
1 [Ny amin'ny Voahosotr'i Jehovah, Izay hanavotra ny Isiraely sy hampody ny voninahiny] Ny Fanahin'i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana* ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin'ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin'ny mazava, [Heb. hamehy] 2 Hitory taona ankasitrahan'i Jehovah sy andro famalian'Andriamanitsika, hampionona ny malahelo rehetra, 3 Hanolotra ho an'ny malahelo ao Ziona, eny, hanome azy namama ho solon'ny lavenona, sy diloilo fifaliana ho solon'ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solon'ny fanahy reradreraka, mba hanaovana azy hoe Hazon'ny fahamarinana, nambolen'i Jehovah ho fampisehoam-boninahitra. 4 Koa hatsangana ny efa rava hatry ny fony fahagola, ary hamboarina ny efa lao hatramin'ny fahiny, dia hohavaozina indray ny tanàna rava, Izay efa lao hatramin'ny taranaka lasa ela. 5 Ary ny vahiny honina ao ka hiandry ny ondry aman'osinareo, ary ny hafa firenena ho mpiasa tany sy ho mpamboatra tanim-boaloboka ho anareo, 6 Fa ianareo kosa no hatao hoe mpisoron'i Jehovah, Mpanao fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitsika no hilazana anareo ho lasanareo* ny haren'ny firenena, ary handimby voninahitra azy ianareo**. [*Heb. Hohaninareo][**Na: Ary ho reharehanareo sy voninahiny] 7 Ny henatrareo hosoloana avy roa heny, ary ny tondromaso hosoloana hoby amin'ny anjara-lovany; ary noho izany dia hahazo indroa heny ao amin'ny taniny izy, fifaliana mandrakizay no ho azy. 8 Fa Izaho Jehovah dia tia rariny; halako ny fandrombahana amin'ny faharatsiana; homeko ny valin'asany amin'ny fahamarinana izy, ary fanekena mandrakizay no hataoko aminy. [Na: Halako ny halatra atao fanatitra odorana] 9 Ny taranany ho fantatra any amin'ny jentilisa ary ny terany any amin'ny firenena; Izay rehetra mahita azy dia hahafantatra azy ho taranaka notahin'i Jehovah.

Maneke hohavaozin’ny Fanahy masina 

Isaia 61.1-9

Ny  andraikitr’izay nomena ny Fanahy 

1-Hampahery  sy hampitraka ny mila vonjy 

Ny  and1 dia mampitodika antsika  amin’ny teny  nilazan’i Jesoa  ny tenany  ao amin’ny Lio 4.14-21. Mpanompon’i Jehovah  no anarana  iantsoana  ity olona nomena  ny Fanahy  ao anatiny  ity , kanefa  mety  azo iantsoana  antsika koa izany , noho isika nomena ny Fanahy masina . Tsy  mahazo  mipetraka hianina amin’izay  mety  ho fahamasinany  fotsiny  ny olona  nomena ny Fanahy  , fa tsy maintsy  mandray andraikitra . Hery  manetsika antsika handray  andraikitra  hiantra  sy hampahery  ary hanampy  ny  mila vonjy ny Fanahy masina . Jereo  àry  ny manodidina antsika  handray andraikitra  hiantra  sy hampahery  ary   hanampy  ny mila vonjy  ny Fanahy masina . Jereo  àry   ny  manodidina antsika  , ka diniho  izay andraikitra  manandrify  anao. Aza manao fialana amin’ny hoe: Izaho koa mba tokony hovonjena , fa misy  andraikita  manandrify  antsika tsirairay  avy , izay  nomena  ny Fanahy   ao  amin’ny fiaraha-monina sy amin’ny manodidna .

2-Hanambara  sy hitory  ary hitondra fanafahana 

Zava-dehibe ny fahafahana  sy ny fanafahana . Sady  hitory  sy  hanambara  ny fanafahana  izay  ataon’ Andriamanitra  amin’ny alalan’i Jesoa  isika , no nasaina hiady  amin’ny fomba samihafa  , hamoahana izay  voagadra  sy voafatotra  ary voageja (and1b.2a) . Tsy  fanafahana  ara-panahy   ihany izany  , ka aza variana  fa ny tanintsika  voageja  sy  voafatotry  ny kolikoly  sy  ny tsy fahamarinana ary ny lainga , ny mpiara-belona  voafatotry  ny fahantrana sy voageja  toa  tsy mahita  izay hatao . Nirahin’ny Tompo  isika  tsy hiteny  fotsiny  fa tena handray andraikitra  amin’ny maha-  irak’i Kristy  antsika , hanaporofo  fa mpanafaka  i Jesoa  izay toriantsika . Ny hanao  izany  no antony   nanomezana antsika ny Fanahy masina . Koa  raiso ny andraikitrao.

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady  FOIBE FJKM