Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina 

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 28 Mey 2018

Maneke hohavaozin'ny Fanahy Masina 

Galatiana 5.16-18
16 Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo ianareo. 17 Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanaroeo manao izay zavatra tianareo. 18 Fa raha tarihin'ny Fanahy ianareo, dia tsy mba ambanin'ny lalàna.

Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina 

Galatiana 5.16-18

Miantoka  ny fandresentsika ny asan’ny Fanahy 

1-Mampandresy  antsika  amin’ny  filan’ny  nofo  izany  

Amin’ny  lafiny iray  ny hoe: »

mandeha araka ny fanahy

« (and. 16) dia mizotra manaraka ny  bitsiky ny  Fanahy . Ny  Fanahy  Masina  araka ny  nambaran’i Jesoa  dia tsy  hilaza  na hibitsika amintsika  zavatra  vaovao hafa   fa  hampahatsiaro ihany  izay efa  nambarany (Jao 14.26). Koa  ny  bitsiky  ny  Fanahy  dia fampahatsiarovan’ny Fanahy  masina   antsika  ny  Tenin’ Andriamanitra  efa rentsika , efa notoriana sy nampianarina antsika. Tsy  ho feo  hafa  voaraintsika tamin’ny nofy  na fahitana  samihafa izany, fa   araka ny  Tenin’Andriamanitra  efa notorina   tamimntsika ihany . Henoy  izany  ka ankatoavy, dia handresy  ny  fitarihan’ny sitrapontsika  adala isika, dia ilay  sitrapontsika  mandresy lahatra  hanatanteraka ny filan’ny nofo .

2-Manafaka antsika amin’ny finoana hafa izany  

Ny and  18 no milaza fa raha mandeha araka ny Fanahy ny mpino dia tsy ambanin’ny lalàna. Finoana sy fivavahana Josy izany.Miorina sy mifantoka amin’ny fanarahan-dalàna ny fivavahana Jiosy . Maro ny finoana sy fivavahana mitaona sy mandresy lahatra antsika, te- hanazioga  sy hangeja  ireny  na dia  finoana sy fivavahana aza. Koa henoy  ary araho ny feon’ny Fanahy  fa tsy hiteny  amintsika afa-tsy  ny Tenin’ Andriamanitra Izy ,   ary izany no hanafaka  antsika  amin’ny finoana  tsy  izy  samihafa , mba tsy  hitotoantsika any  amin’izay  milaza azy ho fiangonana nefa  tsy izy fa fikambanana . Mitandrema fandrao ho  voafitaka . Ny  asan’ny Fanahy  ihany  no hanome fahazavan-tsaina antsika hananantsika  ny fanahy manavaka.

Fanontaniana:

Birao Sekoly  Alahady FOIBE FJKM