Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina
Mofonaina anio: Alarobia, faha 02 Mey 2018
Galatiana 4,1 - 7
1 Ary hoy izaho: Raha mbola zaza ny mpandova, dia tsy hafa noho ny andevo izy, na dia tompon'ny zavatra rehetra aza; 2 fa fehezin'izay mpitondra sy mpitaiza azy izy mandra-pahatongan'ny fetr'andro voatendrin'ny rainy. 3 Dia tahaka izany koa isika, fony mbola zaza, dia nandevozin'ny abidim-pianaran'izao tontolo izao; 4 fa rehefa tonga ny fotoan'andro, dia nirahin'Andriamanitra ny Zanany, nateraky ny vehivavy, nateraka tao ambanin'ny lalàna, 5 hanavotany izay ambanin'ny lalàna, mba handraisantsika ny fananganan'anaka. 6 Ary satria zanaka ianareo, dia nirahin'Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin'ny Zanany, miantso hoe: Aba, Ray ô. 7 Ka dia tsy mpanompo intsony ianao, fa zanaka: ary raha zanaka, dia mpandova koa noho ny ataon'Andriamanitra.Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina
“Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina, fa tsy havaozin’izao tontolo izao.”
Gal 4 :1-7
Zavatra voajanahary ho an’ny olona ny fitiavana te-hahafantatra zavatra vaovao. Mila mitandrina anefa isika satria na dia misy aza ny fanavaozana dia ialana kosa ny:
- Fanavaozana entin’izao tontolo izao (and 1-3)
Ny fiaraha-monina Grika izay mbola nisy fiantraikany be tamin’ny fiaraha-monina tamin’izany fotoana izany , na dia efa ny fanjakana Romana aza no nanapaka dia tsy tahaka ny ankehitriny izay ny lalàna no mametraka hoe 18 taona ny olona iray no antsoina hoe olon-dehibe, fa ny rainy no manapaka hoe manomboka eo amin’ny fahafiry taonany ny zanako no antsoiko hoe: « olon-dehibe ». Ary dia toy izay koa no nanoharan’ny Soratra Masina ny fampianaran’izao tontolo izao, rehefa tsy nahalala an’i Kristy isika dia fady tongolo e, fadindrazana e, sns… ,izay tena natahorana tokoa. Koa fantaro àry izay te hitondra fanavaozana eo amin’ny fiainanao: izao tontolo izao sa ny Fanahy Masina? Fa izay tena ilaintsika kosa dia ny :
- Fanavaozan’ny Fanahy Masina (and 4-7).
Rehefa nogejain’ny finoanoam-poana ireo mponina tao Galatia ireo , ka nandray ny fanavaozana avy amin’ny Fanahy Masina, izay hany nahazoana azy dia avy amin’ny fahatongavan’i Jesoa Kristy tonga olona teto an-tany, dia nanjary nahatsiahy fa olona afaka, sy nahatsiahy ho tonga zanak’Andriamanitra, ka afaka niantso an’Andriamanitra hoe: »Aba Ray ô”(and 6 b). Dia toy izany koa isika rehefa nohavaozin’ny Fanahy Masina, dia aoka tsy hatahotra intsony mandika ireo fadin-drazana sy fadin’izao tontolo izao izay tsy araka ny sitrapon’Andriamanitra.
Fanontaniana:
Inona avy ireo fady nandrarana anao , momba ny sakafo, fomba amam-panao sns, izay napetraky ny razana na fiaraha-monina? Vonona ve ianao hanaraka izay andidin’ny Soratra masina anao irery ihany?
Site web FOIBE FJKM