Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 05 Mey 2018

Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina

Romana  8.1-8
1 [Ny famonjen'i Kristy ny mino Azy, izay miantomboka amin'izao fiainana izao ary mbola hotanterahina ho mandrakizay] Ary amin'izany dia tsy misy fanamelohana ho an'izay ao amin'i Kristy Jesosy. 2 Fa ao amin'i Kristy Jesosy ny lalàn'ny Fanahin'aina no nahafaka ahy tamin'ny lalàn'ny fahotana sy ny fahafatesana. 3 Fa izay tsy hain'ny lalàna, satria ny nofo no nahalemy azy, dia vitan'Andriamanitra tamin'izy naniraka ny Zanany, naka ny endriky ny nofo ota sy ny amin'ny ota, ka nanameloka ny ota tao amin'ny nofo, 4 mba hahatanteraka ny fahamarinana ilain'ny lalàna amintsika, izay tsy mandeha araka ny nofo, fa araka ny Fanahy. 5 Fa izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo; fa izay araka ny Fanahy kosa mihevitra izay zavatry ny Fanahy. 6 Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana, sy fiadanana 7 satria fandrafiana an'Andriamanitra ny fihevitry ny nofo; fa tsy manaiky ny lalàn'Andriamanitra, sady tsy hainy akory izany. 8 Ary izay ao amin'ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon'Andriamanitra.

Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina

Romana  8.1-8

Ny  mampiavaka  ny  fihevitry ny  fanahy 
sy  ny  fihevitry ny  nofo

1-Ny  fihevitry  ny nofo  dia fahafatesana (and 6a)

Mitanisa sy  manazava   izany  manomboka  eo  amin’ny and faha-7 : « fandrafiana an’ Andriamanitra  ny fihevitry ny  nofo ». Hafa  mihitsy   ny mahamaika   sy  mahadodona   ny  nofo : fahafinaretana , filan’ny  maso , filan’ny sofina , rehaka momba izao  fiainana izao . Ny  mpino   kristiana  dia tsy  maintsy  mandray  fanapahankevitra  hanajanona  tanteraka ny fanaon’izao  tontolo izao . Mitondra ho  amin’ny fahafatesana  ny fihevitry ny  nofo, satria  misarika  amin’ny fahotana  izany  ary  fahafatesana  no  tambin’ny  ota. Tsy  maintsy  mahafehy  tena eo ambany  fitarihan’ny  Fanahy masina   ny mpino mba handresena  ny asan’ny nofo.

2-Ny  fihevitry  ny Fanahy  dia fiainana sy  fiadanana (and6b)

Hafa mihitsy  ny fiainan’ny olona mizotra  eo ambany  fitarihan’ny Fanahy masina. Afaka  amin’ireo  geja sy fatotra maro samihafa: Ny fihevitry  ny Fanahy  dia manafaka  amin’ny fanamelohana ho avy, manafaka  amin’ny fahotana sy ny fahazaran-dratsy. Manafaka amin’ny vokatry ny fahotana dia ny fahafatesana . Olona afaka amin’ny fanaon’izao tontolo izao .

Fanontaniana :

Ampitahao ny Galatiana 5. 19-23 sy ny Romana 8.6. Inona  no azo  tsoahina  avy  amin’izany ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM