Maneke hohavaozin’ny  Fanahy  Masina 

Mofonaina anio: Alahady, faha 06 Mey 2018

Maneke hohavaozin'ny  Fanahy  Masina 

Ezekiela 36.22-30
22 Koa atsovy amin'ny taranak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tsy noho ny aminareo no anaovako izany, ry taranak'Isiraely, fa noho ny anarako, masina, izay nolotoinareo tany amin'ny jentilisa izay nalehanareo. 23 Ary hohamasiniko ny anarako lehibe izay efa nolotoinareo tany amin'ny jentilisa, ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, hoy Jehovah Tompo, rehefa miseho ho masina eo imasony Aho amin'ny ataoko aminareo. 24 Fa halaiko avy any amin'ny jentilisa ianareo ary hangoniko avy any amin'ny tany rehetra ka ho entiko ho any amin'ny taninareo. 25 Dia hofafazako rano madio ianareo, ka hadio; ny mba ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo. 26 Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo. 27 Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. 28 Ary honina any amin'ny tany izay nomeko ny razanareo ianareo, ka ho oloko ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo. 29 Ary hovonjeko ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra ianareo, ary hantsoiko sy hataoko vokatra ny vary, ary tsy hanaterako mosary intsony ianareo; 30 ary hataoko vokatra koa ny voankazo sy ny vokatry ny saha, mba tsy ho voalatsan'ny jentilisa amin'ny mosary intsony ianareo.

Maneke hohavaozin’ny  Fanahy  Masina 

Ezekiela 36.22-30

Ny  fanavaozan’ny  Fanahy  Masina

1-Mitondra fanadiovana 

« …dia  hofafazako  rano  madio  ianareo ka hadio , ny mba  ho afaka  amin’ny  fahalotoanareo  rehetra… »(and25). Mampalahelo   fa ny vahoakan’ Andriamanitra  ihany  no nandoto  ny Anaran’ny Tompo   tany amin’ny Jentilisa . Mandrora mitsilany  izy ireo  ka mahavoa tena , ary  dia tonga maloto  eo anatrehan’ny  Tompo . Soa ihany  fa eo  ny  famindrampon’ny  Tsitoha . Manadio  Izy  , mamela heloka Izy . Manadio ny loton’ny fahotana Izy  . Ny  fanavotana teo  amin’ny hazo fijaliana  no mahatanteraka izany .

2-Mitondra fitahiana sy fiainam-baovao 

Fo vaovao, fanahy vaovao, fahavokarana, taona zina , fandresena ny mosary . Ireo  no santionan’ny  vokatry  ny fanavaozan’ny  Fanahy masina. Mora ho an’ny olona  manaiky  havaozina  ny fandaminana, manaja fitsipika mitandrina ny  didin’ Andriamanitra. Misy fiantraikany amin’ny fiainan’ny olona amn’ny  ankapobeny ny fitarihan’ny Fanahy masina:ara-panahy, ara-nofo, ara-tsaina satria manana mpanolo-tsaina hendry izy. Araka ny Deoteronomia 28.1-2 dia  mifamatotra   amin’ny fitandremana ny didin’ Andriamanitra  sy  fihainoana ny feon’ny Tompo  ny mitondra ho amin’ny fitahiana . Taratry  ny fiasan’ny  Fanahy izany .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM