Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 07 Mey 2018
Maneke hohavaozin'ny Fanahy Masina
Marka 16.14-20
14 [Rehefa afaka izany, dia niseho tamin'ny iraika ambin'ny folo lahy Jesosy, raha nipetraka nihinana ireo; ary izy nanome tsiny azy noho ny tsi-finoany sy ny hamafin'ny fony, satria tsy ninoany ireo efa nahita Azy, rehefa nitsangana Izy] 15 [Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin'izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra] 16 [Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina] 17 [Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny izay tsy mbola hainy izy;] 18 [handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin'ny marary izy, dia ho sitrana ireny] 19 [Ary Jesosy Tompo, rehefa niteny taminy, dia nampiakarina ho any an-danitra ka nipetraka eo an-kavanan'Andriamanitra] 20 [Fa izy ireo kosa dia lasa ka nitori-teny eny tontolo eny, ary ny Tompo niara-niasa taminy ka nanamarina ny teny tamin'ny famantarana izay nomba azy. Amena]Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina
Marka 16.14-20
Ny baikon’ny Tompo amin’ny mpanompony 
1-« Mandehana »
« …mandehana any amin’izao, tontolo izao ianareo ». Mitaky hetsika izany . Misy toerana hiaingana ary misy toerana aleha: any amin’izao tontolo izao . Tsy mandeha irery ny iraka amin’izany fa momba azy ireo ny Tompo . Mat 28.20
2-« Mitoria ny Filazantsara »
Mazava ny anton-dia eto dia ny fitoriana ny Filazantsara . Jesoa Kristy no mpaniraka ary Izy no vontoatin’ny hafatra ampitaina . Fanoloran-tena, fahafoizana fotoana,fanekena ho mpianatra amin’ny alalan’ny fiofanana sy fiomanana no takiana amin’izany fa tsy fizahantany na tanjona hafa .
3-« Sitrano ny marary »
Maro ireo aretina izay mahazo ny olona ankehitriny. Ny mpitory Filazantsara dia fitaovana eo am-pelatànan’nyTompo hitondra fanafahana, fanasitranana,araka ny baikon’ny Tompo hoe: »Tsaboy izy » (Lio 10.35). Mariho fa miara-dàlana ny finoana sy ny fanasitranana . Araka izany dia ilaina ny mitondra anjara biriky ho fikolokoloana ny fahasalaman’ny olona itoriana ny Filazantsara . Finoana arahana asa no takiana amin’izany .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM