Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina
Mofonaina anio: Talata, faha 08 Mey 2018
Maneke hohavaozin'ny Fanahy Masina
Apokalypsy 11.11-13
11 Ary rehefa afaka ny hateloan'andro sy tapany, dia nisy fanahin'aina avy tamin'Andriamanitra niditra tao anatin'ireo, ary nijoro tamin'ny tongony izy, ka raiki-tahotra indrindra izay nahita azy. 12 Ary nahare feo mahery avy tany an-danitra izy roa nanao taminy hoe: Miakara at?. Dia niakatra ho any an-danitra tao anatin'ny rahona ireo; ary nahatsinjo azy ny fahavalony. 13 Ary tamin'izany ora izany dia nisy horohorontany mafy, ka rava ny ampahafolon'ny tanàna, ary maty tamin'izany horohorontany izany ny olona fito arivo; ary raiki-tahotra ny olona sisa ka nanome voninahitra an'Andriamanitry ny lanitra.Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina
Apokalypsy 11.11-13
Ny Fanahy nomen’ny Tompo antsika 
1-Fanahy mahavelona
« …dia nisy fanahin’aina avy tamin’ Andriamanitra niditra tao anatin’ireo » . Matetika dia misy fomba fijerintsika olombelona mitsara ny zava-misy izay mitranga. Refesin’ny olona araka ny hafoin’ny fisainany ny fiasan’ny Tompo. Mazava ny voalaza ao amin’ny Gen 18.14 manao hoe: « Fa moa misy zava-mahagaga izay tsy hain’i Jehovah va? Araka izany dia hain’ny Tompo ny manangana ny maty. Hain’ny Tompo ny manova ny toe-javatra izay heverina hoe: tsy misy fanantenana intsony. Vitany ny mamerina amin’ny laoniny ny fahasimbana sy faharavana. Raha mino ianao dia ho hitanao ny Voninahitr’ Andriamanitra.
2-Fanahy mampijoro
« …ary nijoro ny tongony izy » . Mahay manarina ny lavo ny Tompo . Mahay mampitraka ny mitanondrika. Mahay mampahery ny kivy . Hoy izy hoe: »Ampaherezo ny tànana miraviravy, ary hatanjaho ny lohalika malemy » (Isa35.3). Na eo aza ny rivotra mifofofofo, na maro aza ireo mikasa handavo sy hamingana dia tsy maintsy mijoro hatramin’ny farany isika. Fa hoy ny Tompo; »miorena tsara , aza miova ». Ny fampaherezana avy amin’ny Fanahy Masina no mampijoro sy mampahery antsika.
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM