Maneke hohavaozin’ny Fanahy  Masina 

Mofonaina anio: Alarobia, faha 30 Mey 2018

Maneke hohavaozin'ny Fanahy  Masina 

Salamo 51.6-12
6 Indro, fahamarinana ao am-po no sitrakao; ary fahendrena ao amin'ny miafina no ampahafantarinao ahy. 7 Diovy hysopa aho ho afa-pahotana, dia hadio; sasao aho, dia ho fotsy mangatsakatsaka*.[Heb: toy ny oram-panala] 8 Ampandreneso fifaliana sy faharavoravoana aho, hifalian'ny taolana izay voavakivakinao. 9 Afeno ny tavanao ny fahotako ary vonoy ny heloko rehetra. 10 Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko. 11 Aza manary ahy hiala eo anatrehanao; ary aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko. 12 Ampodio amiko ny fifaliana amin'ny famonjenao; ary tohàny fanahy mazoto aho.

Maneke hohavaozin’ny Fanahy  Masina 

Salamo 51.6-12

Aza manary  ahy  hiala eo anatrehanao, ary aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko » (and. 11)

Ny asan’ny Fanahy  Masina 

Sarotra ka ilam-pitandremana ny  mamaritra  ny  asan’ny Fanahy. Ny voalaza ao amin’ny Soratra Masina  irery  ihany  no hahazoana  mamantatra na asan’ny Fanahy  na tsia  ny tranga  iray sy ny toetra na  fihetsika na fanambarana  ataon’ny olona iray.

1-Mitaona ny mpino  hohavaozina ny Fanahy 

Aoka tsy hohadinoina fa vavaka fifonana sy fiaken-keloka ny Sal. 51, na isika Fiangonana ankehitriny aza dia mampiasa an’io Salamo  io  ho  toy izany koa. Amin’izany  fifonana izany no ilazana hoe : « Aza manaisotra  ny Fanahinao  Masina amiko », satria ny vokatry ny asan’ny Fanahy  no manavao ny  olona, mba  tsy  handehanany  araka ny  filan’ny  nofo intsony  (Gal. 6.16). Tsy  misy  fihavaozana marina raha tsy manaiky hotarihan’ny Fanahy  isika. Zary fifonana imolotra ihany  ny  fiakenkeloka sy ny  fifonantsika  raha tsy ekentsika ny hotarihan’ny Fanahy.

2-Mitaona ny olona hibebaka ny Fanahy 

« Aza manary ahy hiala eo anatrehanao, ary aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko ». Raha adika tsotra io andalanteny io dia hoe: Tano mafy mba hitoetra eo anatrehanao mandrakariva aho; aoka tsy ho lavitra, na hanalavitra Anao aho. Ny mpino manaiky heloka ka te hanatona sy hanakaiky, ary maniry hitoetra eo anatrehan’ny Tompo no atao hoe:  mibebaka. Tsy tanteraka izany raha tsy noho ny asan’ny Fanahy. Koa izany no italahoany koa hoe: « Aza manaisotra ny Fanahinao Masina amiko ». Mandresy lahatra ny olona hibebaka ny Fanahy.

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM