Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina
Mofonaina anio: Zoma, faha 11 Mey 2018
Maneke hohavaozin'ny Fanahy Masina
Matio 12.31-37
31 Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny ota sy fitenenan-dratsy* samy hafa rehetra; fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin'ny fitenenan-dratsy* ny Fanahy Masina.[*Gr.blasfemia,izahao 9. 3] 32 Ary na iza na iza no manao teny hanohitra ny Zanak'olona, dia hahazo famelan-keloka ihany; fa na iza na iza no miteny hanohitra ny Fanahy Masina, dia tsy mba hahazo famelan-keloka, na amin'izao fiainana izao, na amin'ny ho avy. 33 Koa ataovy tsara ny hazo mbamin'ny voany, na ataovy ratsy ny hazo mbamin'ny voany; fa ny voany no ahafantarana ny hazo. 34 Ry taranaky ny menarana! hataonareo, izay ratsy fanahy, ahoana no fahay miteny zavatra tsara? fa avy amin'ny haben'ny ao am-po no itenenan'ny vava. 35 Ny rakitra tsara no amoahan'ny olona tsara fanahy zavatra tsara; ary ny rakitra ratsy kosa no amoahan'ny olona ratsy fanahy zavatra ratsy. 36 Ary lazaiko aminareo fa hampamoahina ny olona amin'ny andro fitsarana noho ny amin'ny teny foana rehetra izay ataony. 37 Fa ny teninao no hanamarinana anao, ary ny teninao no hanamelohana anao.Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina
Matio 12.31-37
Ny mpino manaiky hohavaozin’ny Fanahy Masina
1-Hita taratra amin’izay ataony
« fa ny voany no hahafantarana ny hazo »(and33). Eo anatrehan’ireo anaram-boninahitra sy andraikitra samihafa eo amin’ny mpanara-dia ny Tompo dia tsy mora ny manavaka ny vary sy ny tsiparifary. Mipoitra eny ihany anefa ny afenina rehefa ele ny ela . Tahaka ny Fariseo izay sarotim-boninahitra , tsy ny fanasitranana vitan’i Jesoa Kristy no jereny , fa lany andro mamantatra zavatra hafa izay mivaona amin’ny zava-misy. Na dia miezaka mamilivily ny fahamarinana aza ireo ambaran’i Jesoa fa fantatra amin’ny voa eny ihany ny hazo(and33). Izay milaza fa vahoakan’ Andriamanitra nefa mandà an’i Jesoa Kristy dia mpandainga .
2-Hita taratra amin’izay teneniny
Ety ivelany dia fatratra tokoa ny fahitana azy fa tahaka ny olona tsy manan-tsiny, ny fatratra raha ny andraikitra tànany, ny fombafombany. Rehefa ela ny ela dia hita taratra amin’ny tebt avoakany eny ihany ny ao am-pony satria: «Avy amin’ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vava »(and34). Ilaina ny fijoroana vavolombelona amin’ny alalan’ny fitenenana izay ifandraisantsika amin’ny hafa. Ilaina ny manambara ny fahatsaran’i Kristy amin’ny manodidina antsika .
Fanontaniana :
Inona no tokony hatao mba hahatonga ny fihetsika sy ny fiteny hifanaraka amin’ny sitrapon’ Andriamanitra ?
Bitrao Sekoly Alahady FOIBE FJKM