Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina 

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 12 Mey 2018

Maneke hohavaozin'ny Fanahy Masina 

1 Timoty 3.14-16
14 Izany zavatra izany dia soratako aminao, na dia manantena hankat? aminao faingana aza aho; 15 fa raha tratra ela aho, dia ny hahafantaranao izay fitondran-tena mety hatao ao an-tranon'Andriamanitra, dia ny fiangonan*'Andriamanitra velona, sady andry sy fiorenan'ny fahamarinana. [* Gr. eklesia] 16 Ary iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zava-miafina ny amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, dia Ilay naseho teo amin'ny nofo, nohamarinina tao amin'ny Fanahy; hitan'ny anjely, notorina tany amin'ny jentilisa, ninoana teny amin'izao tontolo izao, nakarina tamin*'ny voninahitra. [* Na: ho any amin']

Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina 

1 Timoty 3.14-16
Ny  fiangonan’ Andriamanitra  velona

1-Mitaky  fitondrantena miavaka

« …fa raha tratra ela  aho   dia ny hahafantaranao  izay  fitondrantena mety  hatao ao an-tranon’ Andriamanitra … »(and 15). Masina ny fiangonana ary takiana fahamasinana  ny  mpino  eo anivony. Indrisy anefa  fa misy  fanaon’izao  tontolo izao  izay hita taratra  ao amin’ny fiangonana indraindray, toy  ny fitafiana tsy maontina, ny fihatsarambelatsihy, ny fahalovana, ny fijerena tavan’olona, ny fitabatabana samihafa. Soa ihany  fa  misy ny  mijoro  amin’ny fahamarinana sy fahamasinana hatramin’ny farany. Mila  manana fahasahiana hitaona ny mpianakavin’ny finoana hanana fitondrantena miavaka ny  mpitarika  eo anivon’ny fiangonana.

2-Andry  sy fiorenan’ny fahamarinana  

Jesoa Kristy, Ilay làlana  sy fahamarinana ary fiainana  no nanorina ny fiangonana . Tsy azo leferina  ny fanaovana ny fiangonana  ho zohy fieren’ny jiolahy. Tsy maintsy  mijoro  ho fanasina  sy ho fanazavana  ny fiangonana . Fahamarinana ara-pitondrantena, fahamarinana eo amin’ny fanambarana madio  ny Tenin’ Andriamanitra. Tsy  maintsy  milaza  ny marina ny fiangonana ary  tsy  mijery  tavan’olona.

Fanontaniana :

Tanisao  izay  fitondrantena takiana ao an-tranon’ Andriamanitra  fantatrao. Samy hafa  amin’ny atao  any ivelany ve izany ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM