Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 14 Mey 2018
Maneke hohavaozin'ny Fanahy Masina
Joba 33.1-7
1 Kanefa, masìna ianao, ry Joba; mihainoa ny alahatro, ary mandrenesa ny teniko rehetra. 2 Indro, fa efa niloa-bava aho, Miteny ato am-bavako ny lelako. 3 Ny hitsim-poko no hiseho amin'ny teniko; Ary ny fahalalan'ny molotro no holazaina tsy hasiana fitaka. 4 Ny Fanahin'Andriamanitra no efa nanao ahy, ary ny fofonain'ny Tsitoha no mamelona ahy. 5 Raha hainao, valio ary aho, miomàna ianao, ka miatreha tsara. 6 Indro, izaho koa mba an'Andriamanitra: tahaka anao ihany; Eny, izaho koa mba nosombinana avy tamin'ny tanimanga. 7 Indro, ny fampahatahorako tsy dia hampahatahotra anao, ary ny vesatra avy amiko tsy dia hitambesatra aminao.Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina
Joba 33.1-7
Sarobidy ny namana tarihin’ny Fanahy Masina
1-Manana fahendrena miavaka
Teo anatrehan’ny vina nihatra tamin’i Joba dia niezaka nampahery azy i Bildada sy Elifaza ary Zofara. Nivoatra ho fifandresen-dahatra teo amin’izy telo lahy sy i Joba izany .Hatreo amin’ny toko faha- iraika ambin’ny telopolo dia izy efa-dahy no niandahatra . Rehefa afa-po tamin’ny fitenenana ireo zokiolona ireo dia izay vao nanapa-kevitra hiteny kosa i Eliho. Nanamarika izy fa tsy miankina amin’ny taona ny fahendrena fa miankina amin’ny fanekena ny fitarihan’ny Fanahy Masina (32.7-8). Voasoratra hoe: »ny fanahy izay ao anatin’ny zanak’olombelona sy ny fofonain’ny Tsitoha no mahahendry azy « . Mivantana kokoa ny andininy fahasivy manao hoe: »tsy dia ny fahalehibiazana no mahahendry , ary tsy dia ny fahanterana no hahalalana ny rariny ».
2-Manitsy mananatra :
ny hitsimpoko no hiseho amin’ny teniko…holazaina tsy asiana fitaka
« ao ny andro anginana ary ao ny andro itenenana
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM