Maneke hohavaozin’ny Fanahy masina
Mofonaina anio: Alarobia, faha 16 Mey 2018
Maneke hohavaozin'ny Fanahy masina
Fitomaniana 5:19-22
19 Jehovah ô, ianao no mipetraka mandrakizay, eny, ny seza fiandriananao no maharitra hatramin'ny taranaka fara mandimby. 20 Ahoana no dia anadinoanao anay mandrakizay sy ahafoizanao anay andro lava ? 21 Jehovah ô, ampivereno aminao izahay, mba hiverenanay; Havaozy ho toy ny fahiny ny andronay. 22 Moa dia nandà anay tokoa va Hianao sy tezitra aminay indrindra?Maneke hohavaozin’ny Fanahy masina
Fitomaniana 5:19-22
Ny mpino manao vavaka fibebahana
1-Mahatsapa ny fahamarinan’ny Tompo
Eo amin’ny andininy 19 dia mazava ny filazan’ilay mpivavaka momban’ny toetran’Andriamanitra : Tsy miova Izy fa Andriamanitra azo antoka. Marina sy tsy miova fitiavana ny Tompo, ka izany no ahasahiantsika manonona vavaka fifonana sy fibebahana eo anatrehany. Ny fahamarinany no manosika Azy hamindra fo sy hiantra (vakio Sal. 145:17). Marina ny Tompo ka tsy mitsahatra fa mikaro-kevitra hatrany hamonjena antsika. Izany no antony nanomezany antsika ny Zanany sy ny Fanahy Masina. Koa tsarovy io toetran’Andriamanitra io rehefa manao vavaka fitarainana noho ny fahoriana mianjady aminao ianao.
2. Mampahatsiaro ny maha olom-boafidy azy.
Eo amin’ny and.20 indray dia sahy mampiharihary ny maha olom-boafidy azy ilay mpivavaka. Ny voafidin’Andriamanitra mantsy tsy mba ariany, satria mpanompony (Isa. 41:9). Izany ahasahiany manontany hoe : « Ahoana no dia anadinoanao anay mandrakizay? » Toky sy fanantenana ho an’ny mpino izany, satria olom-boafidy isika. Tsy manary antsika ny Tompo, ary izany no nanirahan’i Jesoa ny Fanahy Masina ho aty amintsika, mba tsy hahatonga antsika ho toy ny kamboty (Jao.14:18). Koa manàna fahasahiana mba hampahatsiaro an’Andriamanitra izany maha olom-boafidy anao izany.
Fanontaniana
Inona no tokony holazaina ankoatra ireo, araka ny andininy 21-22, rehefa mivavaka ka mitaraina sy mitoloko?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM