Maneho ny voninahiny ny Tompo.
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 04 Janoary 2024
Jeremia 1.4-10
Jeremia 1.4-10
4 Tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe: 5 Hatry ny fony ianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro, ary hatry ny fony ianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an'ny firenena. 6 Ary hoy kosa aho: Indrisy, Jehovah Tompo ĂŽ! indro, tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza. 7 Fa hoy Jehovah tamiko: Aza manao hoe: Mbola zaza aho; fa handeha amin'izay rehetra hanirahako anao ianao, ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao. 8 Aza matahotra azy ianao; fa momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah. 9 Dia naninjitra ny tĂ nany Jehovah ka nanendry ny vavako, ary hoy Jehovah tamiko: Indro, efa nataoko ao am-bavanao ny teniko, 10 ary indro Aho manendry anao izao andro anio izao hanam-pahefana amin'ny firenena sy ny fanjakana hanongotra sy hanjera sy handrava sy handrodana ary hanorina sy hamboly.Maneho ny voninahiny ny Tompo.
1- Aminâny alalanâny fifidianany
Anatinâny fotoan-tsarotra no niantsoanâAndriamanitra anâi Jeremia ho mpaminany tao aminâny faritrâi Joda. Fotoana mialoha indrindra ny nandravana anâi Jerosalema sy ny fahababoana tany Babylona. Fotoana izay nanoheran âny vahoaka anâAndriamanitra ka nianteherany taminâny hery hafa mba hanoherany ny fahavalo. Mbola zaza tokoa i Jeremia raha nandre ny antsonâny Tompo ka nanambarĂ ny fa efa nanana drafitra mikasika ny fiainany Andriamanitra (and.5). AsehonâAndriamanitra aminâny alalanâny fifidianany ny mpanompony ny halehibenâny voninahiny. Izay takiany amintsika kosa dia ny handehanantsika araka ny sitrapony sy ny fikasany hamonjy sy hanafaka antsika mbaminâny mpiara-belona amintsika. Izy no manamasina ny mpanompo izay fidiany, Izy no manendry araka ny fikasany hamonjena ny olony (and.10).
2- Aminâny alalanâny fanomezan-toky.
Matetika dia heverinâny olona ho sakana eo aminâny fanatanterahany ny asa ampanaovinâAndriamanitra azy ny fahakelezany, na izay heveriny ho tsy fahampianâny traikefa ananany. Raha aminâny maha- olombelona tokoa mantsy dia hita fa tsy mora ny asa anendrena . « .. Ary indro Aho manendry anao izao andro anio izao hanam-pahefana aminâny firenena sy ny fanjakana ,hanongotra sy hanjera sy handrava sy handrodana ary hanorina sy hamboly » (and.10) Eo anatrehanâizany no anehoanâAndriamanitra ny halehibenâny hery sy voninahiny. Manome toky Izy fa tsy handeha irery izay irahiny. Izy no hiaraka aminy ka hamonjy azy (and.8). Izy no hanome ny Teny izay holazaina (and.9). Raha Andriamanitra tokoa no momba antsika, iza no hahatohitra antsika? (Rom 8,31 ).
Fanontaniana:
Inona no sakana aminâny fanaovana ny asanâAndriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM