Maneho ny tàna-maheriny ny Tompo

Mofonaina anio: Zoma, faha 03 Janoary 2020

Maneho ny tàna-maheriny ny Tompo

Fomba nentin' Andriamanitra hiarovana ny Jiosy no nahatonga an'i Estera ho lasa vadin'ny mpanjaka . Nanana fahefana hamono izay tiany hovonoina sy hamelona izay tiany hovelomina ny mpanjaka tamin'izany fotoana izany . Nanam-pitiavana an'i Estera vadiny ihany koa anefa izy , ka sahy nilokaloka fa hanome izay tadiaviny .Nahay nanararaotra ny toeram-boninahitra sy ny fahefana nananany i Estera , ka nampiasa izany ho fiarovana ny mpiray firenena taminy . Maro amin'ny mpitondra firenena no variana amin'ny fitiavan-tena sy ny fitiavam-boninahitra , ka tsy mahatsapa na mahafantatra ny tena antony nanomezan' Andriamanitra fahefana dia ny hanasoa sy hiaro ny vahoaka sy ny mpiray firenena aminy .Mivavaha isika , mba ho tahaka an'i Estera avokoa ny toe-tsain'ny manam-pahefana rehetra , ka ho tia ny fireneny .

Maneho ny tàna-maheriny ny Tompo

1-Manome fahasahiana hiady ho an’ny firenena Izy

Fomba nentin’ Andriamanitra hiarovana ny Jiosy no nahatonga an’i Estera ho lasa vadin’ny mpanjaka . Nanana fahefana hamono izay tiany hovonoina sy hamelona izay tiany hovelomina ny mpanjaka tamin’izany fotoana izany . Nanam-pitiavana an’i Estera vadiny ihany koa anefa izy , ka sahy nilokaloka fa hanome izay tadiaviny .Nahay nanararaotra ny toeram-boninahitra sy ny fahefana nananany i Estera , ka nampiasa izany ho fiarovana ny mpiray firenena taminy . Maro amin’ny mpitondra firenena no variana amin’ny fitiavan-tena sy ny fitiavam-boninahitra , ka tsy mahatsapa na mahafantatra ny tena antony nanomezan’ Andriamanitra fahefana dia ny hanasoa sy hiaro ny vahoaka sy ny mpiray firenena aminy .Mivavaha isika , mba ho tahaka an’i Estera avokoa ny toe-tsain’ny manam-pahefana rehetra , ka ho tia ny fireneny .

2-Mamaly ny mpanao ratsy araka ny asany Izy

Niseho ny marina rehetra momba ny faharatsian’i Hamana . Nambaran’i Estera tamin’ny mpanjaka ny teti-dratsy nokotrehiny .Tezitra noho izany ny mpanjaka . Nivoaka ny didy ka i Hamana no nahantona teo amin’ilay hazo izay nokasainy hatao amin’ny hafa no nihatra tamin’ny tenany.Raha matoky ny Tompo isika , dia sahy mananatra sy mampiharihary ny faharatsian’ny hafa , na iza na iza izany , ary na inona na inona fahefana sy hery eo am-pelatànany .Ny fahefana izay omen’ny Tompo dia ambony lavitra nohon’ny fahefan’olombelona , hanehoana ny tànany mahery izay miaro sy mitsinjo ny vahoakany .

Fanontaniana:

Inona no tokony hataon’ny Fiangonana ho fanehoana fitiavana ny mpiray firenena sy ny tanindrazana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM