MANEHO NY TANA-MAHERINY NY TOMPO
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 06 Janoary 2020
MANEHO NY TANA-MAHERINY NY TOMPO
Jona 2,1 - 11
1 [Ny namonjena an'i Jona, sy ny vavaka aman-tsaotra nataony] Ary Jehovah nanomana hazandrano lehibe hitelina an'i Jona. Ary Jona dia tao an-kibon'ilay hazandrano hateloan'andro sy hateloan'alina. 2 Dia nivavaka tamin'i Jehovah Andriamaniny tao an-kibon'ny hazandrano Jona 3 ka nanao hoe: Niantso an'i Jehovah tamin'ny fahoriako aho, Ka dia namaly ahy Izy; Tao anatin'ny fiainan-tsi-hita* no nitarainako, Dia nihaino ny feoko Hianao.[Heb. Shoela] 4 Fa efa natsipinao tao amin'ny lalina aho, Dia tao amin'ny ranomasina, Ka voasafotry ny riaka aho; Nanarona ahy ny alon-dranonao sy ny onjanao rehetra. 5 Dia hoy izaho: Voaroaka tsy ho eo anatrehanao aho, Nefa mbola nanatrika ny tempolinao masina ihany. 6 Ny rano nanarona ahy hatramin'ny aiko, Ny lalina namefy ahy manodidina; Ny zava-maniry any an-dranomasina nisingotra manodidina ny lohako. 7 Tafalatsaka tany amin'ny fanambanin'ny tendrombohitra aho; Ny hidin'ny tany nanidy ahy mandrakizay; Nefa nampiakatra ny aiko avy tao an-davaka Hianao, Jehovah Andriamanitro ô. 8 Raha reraka tato anatiko ny fanahiko, Dia nahatsiaro an'i Jehovah aho; Ka tonga tao aminao ny fivavako, Dia tao amin'ny tempolinao masina. 9 Izay mivavaka amin'ny sampy* Dia mahafoy Izay Mpamindra fo aminy** [*Heb. zava-poana mandainga][**Heb. ny famindram-pony] 10 Fa izaho, dia feo midera no entiko mamono zavatra hatao fanatitra ho Anao, Ary izay nivoadiako dia hefaiko; An'i Jehovah ny famonjena. 11 Ary Jehovah nandidy ilay hazandrano, ka dia naloany ho eny amin'ny tany maina Jona.MANEHO NY TANA-MAHERINY NY TOMPO
JONA 2.1-11
1-Ho famerenana ny mpanompo mivily làlana
Voatery natsipy any anaty ranomasina lalina I Jona vao nitony ny ranomasina . Hanao ahoana ny fiafaran’ny fiainany ? “Ary Jehovah nanomana hazandrano lehibe hitelina an’I Jona . Ary I Jona dia tao an-kibon’ilayhazandrano hateloana andro sy hateloana alina” (and 1). Ilay hazandrano lehibe no fitaovana niasan’ny tàna-maherin’ny Tompo mba hahatonga an’I Jona hiverin-dàlana ka handeha amin’izay niantsoana sy nanirahan’ny Tompo azy . Tao an-kibon’ilay trondro be izy nefa tsy maty. Tsapany ny fahadisoany . Nahatsiaro fahoriana izy ka nivavaka (and2) . Soa fa namaly vavaka sy nihaino ny fitarainany ny Tompo (and3), fa raha tsy izany dia ho loza no anjarany .Aza miandry famaizana sy kapoka vao hanaiky hanatanteraka ny sitrapon’ Andriamanitra . Miasa amin’ny fomba mahagaga ny Tompo hamerenana ny olom-boantso handehanany araka ny làlany.
2- Ho fanehoany ny heriny
mahagaga
Raha heverina dia tsy tokony
ho velona intsony I Jona. Tanisainy amin’ny vavaka ireo fahagagana
nasehon’ny tàna-maherin’ Andriamanitra :
ny nanipazana azy tao amin’ny ranomasina lalina (and4-6), ny nitoerany telo
andro sy telo alina tao an-kibon’ny
trondro (and1,3) , ary ny nampiakarana azy ho eny an-tanety indray
(and7,10) . Izany rehetra izany no mampiseho
fa Izy no Tompo sy mpifehy ny zava-boahary rehetra , eo ambany
fahefany ny fahafatesana sy ny fiainana. Hevero ange
ny fahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana , ny nidinany tany amin’ny fiainan-tsy hita , ny nitsanganany
tamin’ny maty , ary ny niakarany velona ho any an-danitra . Mahery Izy!
Fanontaniana :
Famaizana ve no mahatonga ny
mosary , tondradrano?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM