MANEHO NY TANA-MAHERINY NY TOMPO
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 02 Janoary 2020
MANEHO NY TANA-MAHERINY NY TOMPO
Asan'ny Apostoly 9,1 - 9
1 [Ny niovan'i Saoly ho Kristiana] Ary Saoly mbola nifofofofo fandrahonana sy famonoana tamin'ny mpianatry ny Tompo ihany, dia nankao amin'ny mpisoronabe izy 2 ka nangataka taratasy taminy ho any amin'ny synagoga any Damaskosy, mba ho entiny mifatotra ho any Jerosalema izay rehetra hitany momba izany fampianarana* izany, na lahy na vavy. [*Gr: lalana] 3 Ary raha nandeha izy, dia tonga teo akaikin'i Damaskosy; ary nisy mazava avy tany an-danitra nanelatretatra tampoka manodidina azy; 4 dia lavo tamin'ny tany izy ka nandre feo nanao taminy hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? 5 Ary hoy izy: Iza moa ianao, Tompoko? Dia hoy Izy: Izaho no Jesosy Izay enjehinao; 6 fa mitsangàna, ka mankanesa ho any an-tanàna, dia holazaina aminao izay mety hataonao. 7 Ary ny olona izay nomba azy tamin'ny nalehany dia nitsangana tsy nahateny, ary nandre ny feo izy, nefa tsy nahita olona. 8 Ary Saoly nitsangana tamin'ny tany, ary rehefa nahirany ny masony, dia tsy nahita na inona na inona izy; ary ireo nitantana azy ka nitondra azy ho any Damaskosy. 9 Ary tsy nahita izy hateloana sady tsy nihinana na nisotro.MANEHO NY TANA-MAHERINY NY TOMPO
ASAN’NY APOSTOLY 9.1-9
1-Jesoa Kristy miandany amin’ny
mpanompony
Sarotiny tamin’ny fombam-pivavahana Jiosy ny ankabeazan’ny Fariseo , ary anisan’izany I Saoly . Nanao izay fomba rehetra izy mba hamongorana ny mpianatr’I Jesoa sy ireo mpomba Azy . Nampiasainy avokoa ny fahefana rehetra teo am-pelatànany , nangataka taratasy tamin’ny mpisoronabe izy mba hahazoany miditra ao amin’ny Synagoga ka izay rehetra tratrany manaraka ny fampianaran’I Jesoa dia ho entiny hofatorana sy hovonoina . Manoloana izany , maneho ny heriny ny Tompo ka tsy mamela ny mpianany hiady irery . Indro Izy fa miditra an-tsehatra mivantana sy manakana ny dian’I Saoly sy miteny aminy :”Saoly , Saoly , nahoana ianao no manenjika Ahy? …Izaho no Jesoa izay enjehinao” (and4,5). Izay manenjika ny fiangonan’Andriamanitra dia manenjika an’I Jesoa Kristy .
2- Jesoa Kristy , manova ny
fikasan’ny fahavalo
Miasa ny tàna-maherin’ny Tompo ka
mampiova ny toe-javatra . Jesao indray izao
no maniraka azy , ka manao aminy hoe :”Mitsangana ka mankanesa any an-tanàna dia holazaina aminao izay mety
hataonao” (and6). Fahasoavana mahagaga
izany satria ilay fahavalo mahery
sy fatra-panenjika no babo , ka tonga iraka mahatoky”…Raha velona koa Aho , hoy I Jehovah
Tompo dia tsy sitrako
ny hahafatesan’ny ratsy fanahy ,
fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny làlany mba ho velona izy” (Eze 33.11)
. Andeha isika hivavaka ho an’izay manenjika ny fiangonana , mba hihaonany amin’I
Jesoa , ka hahalalany ny tena fivavahana
marina sy hahatonga azy ireny ho lasa
mpitory ny Filazantsara mafana fo.
Fanontaniana:
Azonao tantaraina ve ny fiovamp
efa hita sy niainanao?