Maneho ny tàna-maheriny ny Tompo
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 13 Janoary 2020
LIOKA 13.10-13
LIOKA 13.10-13
10 Ary nampianatra tao amin'ny synagoga anankiray Jesosy tamin'ny Sabata. 11 Ary, indro, nisy vehivavy izay nanana fanahy mahafarofy valo ambin'ny folo taona, ary nanjoko izy ka tsy nahatraka akory. 12 Ary rehefa nahita azy Jesosy, dia niantso azy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, afaka amin'ny rofinao ianao. 13 Dia nametraka ny tànany taminy Izy; ary niaraka tamin'izay dia nitraka ravehivavy sady nankalaza an'Andriamanitra.Maneho ny tàna-maheriny ny Tompo
1-Amin’ny maha-tompon’ny sabata Azy
Ny fitandremana ny andro sabata , na ny aandro fitsaharana dia niteraka fifandirana matetika teo amin’ny Jiosy sy i Jesoa . Nahariharin’i Jesoa mazava tsara fa ny sabata dia tsy ho fitsaharana fotsiny ihany , fa ho androm-panafahana indrindra koa . Vehivavy iray izay nafatotr’i satana taminn’y aretina nandritra ny valo ambin’ny folo taona no maniloana an’i Jesoa .Raha ny lalàna no arahina dia tsy misy azo atao amin-dravehivavy satria sabata ny andro . Nahafantatra avy hatrany izay nanjo an-dravehivavy azy ka nahasitrana azy. Nanafitohina ny Jiosy izao fihetsika izao , kanefa kosa nampiseho fa i Jesoo no Tompon’ny sabata (Lio 6.5) .
2-Ho fankalazana an’ Andriamanitra
Matetika dia ny olona marary , na ny havany akaiky , na ny mpiara-monina no manatona Azy. Eto kosa dia i Jesoa mihitsy no manao dingana ho fanasitranana ilay marary . Niantso azy Izy , ka nilaza tamin-dravehivavy fa ho sitrana izy sady nametra-tànana taminy . Teo no eo dia sitrana ravehivavy ka nanome Voninahitra an’ Andiamanitra . Lasa tokoa ny fanahy maharofy , afaka niandrandra ny lanitra izao ilay tsy mba afa- nitraka fa niondrika tamin’ny tany nandritra ny valo ambin’ny folo taona .Fankalazana an’ Andriamanitra no zavatra nataony voalohany , fa izany no fomban’ny olona afaka. Sabata nanatrehany an’i Jesoa izao sabatan-dravehivavy izao. Aoka tsy ho ny lalàna no hamatotra tsy ahitana an’i Jesoa . Isaorana ny Tompo fa nanafaka izay rehetra afatotr’i satana amin’ny fombafomba sy lalàm-pivavahana .
Fanontaniana:
Tanisao ireo karazan-javatra mbola mamatotra ny olona ka tsy hahafahany manompo an’ Andriamanitra ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM