Maneho ny maha- Andriamanitra Azy ny Tompo
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 07 Janoary 2021
MARKA 1.40-45
MARKA 1.40-45
40 Ary nisy boka nanatona Azy ka nitaraina taminy sady nandohalika teo anatrehany ka nanao taminy hoe: Raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy. 41 Ary Jesosy dia onena azy ka naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao taminy hoe: Mety Aho; madiova ianao. 42 Ary niaraka tamin'izay dia niala taminy ny habokany, ka dia nadio izy. 43 Ary namepetra azy mafy Jesosy, dia nampandeha azy niaraka tamin'izay 44 ka nanao taminy hoe: Tandremo tsara mba tsy hisy holazainao na amin'iza na amin'iza; fa mandehana, misehoa amin'ny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao, izay nandidian'i Mosesy, ho vavolombelona amin'ireo. 45 Nefa lasa ralehilahy ka nilazalaza sy nampiely izany zavatra izany, ka dia tsy nahazo niditra miharihary tao an-tanàna intsony Jesosy; fa nitoetra tany ivelany tamin'ny tany foana Izy, dia nanatona Azy ny olona avy eny tontolo eny.Maneho ny maha- Andriamanitra Azy ny Tompo
1-Mahadio ny olona izy
Lehilahy iray marary hoditra no nanehoan’i Jesoa ny maha-Andriamanitra Azy . Ny olona tratran’ny habokana sy ny areti-koditra samihafa dia noheverina fa maloto ka nahiliky ny fiaraha-monina . Fahavoazana roa sosona no mahazo ity lehilahy ity , fa ankoatry ny habokana manenika ny tenany dia nanampy trotraka ny fanilikilihana . Tamin’izany fotoana izany mantsy dia noheverina ho vokatry ny fahotana ny karazana aretina toy izao . Nino kosa anefa izy fa raha sitrak’i Jesoa ny hanadio azy dia hainy izany . Nambarany teo anatrehan’i Jesoa izany finoany izany ka hoy izy : « Raha mety ianao dia mahay manadio ahy » (and40b) . Mariho fa tsy nangataka mivantana tamin’i Jesoa ny hahadio azy izy akory fa nanambara kosa ny finoany sy ny fatokiany fa manana fahefana hahasitrana azy i Jesoa . Sitraky ny Tompo ny hanadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra , ka izany no nanekeny an-tsitrapo ho faty teo amin’ny hazo fijaliana . Sitraky ny Tompo ny handovantsika ny fiainana mandrakizay .
2-Mahasitrana Izy
« Ary niaraka tamin’izay dia niala taminy ny habokany... » (and 42) . Tsy niandry fotoana ela akory , hoy ny mpitantara dia niala taminy ny habokana . Fahagagana lahy izany ! Ary izany no anisan’ny nahafaly an’ilay lehilahy . Afaka izy tamin’ny aretina izay nahazo azy . Iza tokoa moa no tsy ho faly raha nositranina amin’ny aretina izay efa nahavery hevitra nandritra ny fotoana maro, aretina izay efa nampamoy fo fa nanarian’ny olona rehetra sy ny havan-tiana ny tena ? Jesoa irery no tsy nanilika sady nahasitrana azy . Tsy tana ralehilahy fa nampiely ny vaovao mahafaly izay hitany sy tsapany teo amin’ny fiainany . Mahasitrana ny aretina rehetra Izy .
Fanontaniana :
Nahoana no namepetra azy mafy Jesoa ? (and43)
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM