Maneho ny maha- Andriamanitra Azy ny Tompo

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 09 Janoary 2021

MPITSARA 6.19-24

MPITSARA 6.19-24
19 Ary Gideona lasa niditra ka namboatra zanak'osy sy mofo tsy misy masirasira tamin'ny koba iray efaha, ka ny hena nataony tao anatin'ny harona, ary ny ron-kena nataony tao anatin'ny vilany, dia nentiny ho eo aminy, teo ambanin'ilay hazo terebinta ka natolony Azy. 20 Ary hoy Ilay Anjelin'Andriamanitra taminy: Raiso ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira, ka apetraho eo ambonin'ity harambato ity, ary aidino ny ron-kena. Dia nataony izany. 21 Ary naroson'Ilay Anjelin'i Jehovah ny lohan'ny tehina izay teny an-tànany ka natendriny ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira; dia nisy afo nivoaka avy tamin'ny vatolampy ka nandevona ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira. Ary Ilay Anjelin'i Jehovah dia lasa niala teo imasony. 22 Dia hitan'i Gideona fa Anjelin'i Jehovah Izy, ka hoy izy: Adray, Jehovah Tompo ô! fa nahita Ilay Anjelin'i Jehovah nifanatrika aho. 23 Fa hoy Jehovah taminy: Fiadanana anie ho anao; aza matahotra; tsy ho faty ianao tsy akory. 24 Ary Gideona nanorina alitara teo ho an'i Jehovah-saloma*; mbola ao Ofran'ny Abiezrita izany mandraka androany.[Jehovah-saloma = Jehovah no fiadanana]

Maneho ny maha- Andriamanitra Azy ny Tompo

1-Amin’ny alalan’ny famantarana

Mafy ny fahoriana nentin’ Israely tamin’izany noho ny hetraketraka sy ny fampijaliana nataon’ny Midiana taminy , ka nitaraina tamin’i Jehovah izy . Teo anatrehan’izany dia namaly ny fitarainany i Jehovah ka niantso an’i Gideona mba hanafaka azy amin’ny tànan’ny Midiana . Tsy nandà ny fiantsoana , saingy natahotra mafy satria nahatsapa ny hakelezan’ny hery ananany izy , ka dia nangataka famantarana mba hananany toky fa momba azy tokoa i Jehovah. Nasehon’ny Tompo taminy fa tena momba azy tokoa Izy . Nanaiky ny hanome famantarana ho azy i Jehovah . Azontsika atao amin’ny Anaran’i Jesoa ny mangataka famantarana mba hanamafy ny finoantsika Azy ka hahafahana manatanteraka ny iraka ampanaoviny antsika .

2-Amin’ny fanomezan-toky

Narahin’i Gideona antsakany sy andavany izay rehetra nampanaovin’ilay anjely azy , ka tamin’izany no nahitany fa tena irak’Andriamanitra tokoa no manoloana azy . Natahotra mafy indray izy satria nahatsapa ny fanatrehan’ Andriamanitra . Nanome toky azy kosa ny Tompo ka nanao taminy hoe: « Fiadanana anie ho anao , aza matahotra , tsy ho faty ianao tsy akory » (and 23) . Tsapany tamin’izany fa Ilay Andriamanitra izay niantso azy dia momba sy mampahery azy. Nahitany fiadanana ny fanatrehana an’ilay anjelin’i Jehovah . Masina ny Tompo ka mitaky fahamasinana ny fanatrehana azy , nefa koa ao amin’ny fanatrehan’Andriamanitra antsika no ahitantsika ny tena fiadanana . Ny fanatrehany antsika no tonga hery sady tsy hananana fanahiana intsony amin’ny asa izay anirahana . Tsarovy fa manatrika antsika Izy amin’ny fotoana rehetra .

Fanontaniana :

Tsapan’ny fiangonana tokoa ve ny fanatrehan’Andriamanitra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM