Mandrosoa ho amin’ny lalina
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 30 Aprily 2020
2 KORINTIANA 4.14-18
2 KORINTIANA 4.14-18
14 fa fantatray fa Izay nanangana an'i Jesosy Tompo no hanangana anay koa miaraka aminareo. 15 Fa ny zavatra rehetra dia natao noho ny aminareo, mba hitomboan'ny fisaorana ho voninahitr'Andriamanitra noho ny fitombon'ny fahasoavana amin'ny maro. 16 Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany, dia havaozina isan'andro isan'andro kosa ny toetray* anatiny.[*Ny olonay] 17 Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakariva ho anay, 18 raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay.Mandrosoa ho amin’ny lalina
1-Amin’ny fihavaozana
« Havaozina isanandro kosa ny toetray anatiny » (and16) . Ny toetra ivelany dia maneho ny vata-tenan’ny olona izay nisedra toe-javatra maro ny toe-po, toe-tsaina , toe-panahy izay afaka mandray fanavaozana sy fihavaozana araka ny fiasan’ny Fanahy Masina . Ny olona mandeha araka ny vokatry ny Fanahy dia tsy mora ketraka aminn’y seho sy ny tranga hita maso andavanandro fa ireny aza no manosika azy hiroso hatrany amin’ny fikolokoloana ny fiainam-panompoany .
2-Amin’ny faharetana
« fa ny fahorianay maivana , izay vetivety foana… » . Niharan-javatra maro i Paoly Apostoly nandritra ny fanompoany .Tao ny kapoka , sambo vaky, ny loza tamin’ny jiolahy , ny loza tamin’ny ranomasina , hanoanana (2 Kor 11.23-29) , ny latsa sy ireo fanenjahana izay tsy maintsy hatrehany … Fa amin’i Paoly dia maivana ireny . Maivana satria teo hatrany Kristy Jesoa .
3-Amin’ny fanantenana
« Dia maika miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakizay ho anay » (and17). Fantatr’i Paoly fa tsy foana tsy akory ny fikelezana aina amin’ny fanompoana .Ireny aza no hahafahany misitraka ny ampahany bitika ny hazo fijalian’i Kristy . Ny olona manana fanantenana dia efa mahazo sary an-tsaina sahady ny fahombiazany ampitso.
Fanontaniana:
Mahatanty lazonady ve ny mpino kristiana amin’ny ankapobeny ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM