Mandresy ny fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo
Mofonaina anio: Talata, faha 29 Aogositra 2017
Mandresy ny fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo
Salamo 4.1-8
1 [Fivavaky ny azom-pahoriana, sy fanantenany an'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Salamo nataon'i Davida. Raha miantso aho, mamalia ahy, ry Andriamanitry ny fahamarinako ô; Raha tao an-katerena aho, dia nohalalahinao toerana; Mamindrà fo amiko, ka henoy ny fivavako. 2 Ry lehibe, mandra-pahoviana no hataonareo ho henatra ny voninahitro, ary ho tia zava-poana sy hamoron-dainga ianareo? 3 Kanefa aoka ho fantatrareo fa efa navahan'i Jehovah ho Azy ny tsara fanahy*; Jehovah hihaino, raha miantso Azy aho.[Na: fa efa nomen'i Jehovah voninahitra ny olo-masiny] 4 Tezera*, fa aza manota; mieritrereta eo am-pandrianareo, ka mangina.[Na: Mangovita] 5 Manatera fanati-pahamarinana,ary matokia an'i Jehovah. 6 Maro no niteny hoe: iza no haneho soa antsika? Asandrato aminay ny fahazavan'ny tavanao, Jehovah ô. 7 Efa nasianao fifaliana ny foko mihoatra noho ny tamin'ny taona nahabetsahan'ny variny sy ny ranom-boalobony. 8 Handry amin'ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin'izay, satria Hianao, Jehovah ô, no mampitoetra ahy mitokana irery tsy manana ahiahy.Mandresy ny fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo
Salamo 4.1-8
Ny vavolombelon’ny Tompo
1-Mahazo valimbavaka
Manome safidy malalaka ny Tompo ho an’ny tsirairay . Tsy tokony hadinontsika anefa ny herin’ Andriamanitra fa tena azo ianteherana tokoa , na dia potika sy rava aza ny zavatra rehetra , ary na eo aza ny fijaliana sy ny fahoriana , ny Tompo eo mandrakariva . Jehovah hihaino raha miantso Azy Aho (Sal 4.3) , tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay Izy ka mamaly vavaka . Mampanantena ny Tompo fa ho avy ny fotoana izay hanavahany ny tsara sy ny ratsy , ary ny tsara izay ankasitrahany dia hiaina amin’ny fiadanana sy fifaliana mandrakizay .
2-Mandresy ny fahotana
Misy ny sasany , izay milaza azy ho mpanompo kanefa miaina ao anaty faharatsiana . Toa zary endrika ivelany ihany ny maha- kristiana kanefa manara-po amin’ny filàna maro samihafa ary miaina amin’ny tsy fahamarinana , manjary manala baraka an’i Kristy . Tia zava-poana . Miala amin’izany ny tena mpanompon’ Andriamanitra araka ny baiko hoe : « tezera fa aza manota » (Sal 4.4).
Fanontaniana :
Inona avy ireo fepetra sy dingana mba handraisana valim-bavaka ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM