Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo 

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 19 Aogositra 2017

Mandresy fijaliana ny vavolombelon'ny Tompo 

Jeremia 39.11-18
11 Ary Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, nanome teny an'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ny amin'i Jeremia nanao hoe: 12 Ento izy, ka tandremo tsara, fa aza asian-dratsy fa araka izay lazainy aminao no ataovy aminy. 13 Ary Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, sy Nebosazbana, Raba-sarisa, sy Nergala-sarezera, Raba-magy, ary ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona rehetra 14 dia naniraka haka an'i Jeremia teo amin'ny kianjan'ny trano fiambenana, ka natolony an'i Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, mba ho entiny any an-trano izy, ka dia nitoetra tao amin'ny olona. 15 Ary tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah, fony izy mbola voahazona tao amin'ny kianjan'ny trano fiambenana ihany, nanao hoe: 16 Mandehana, ka lazao amin'i Ebeda-meleka Etiopiana hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hotoviko amin'ity tanàna ity ny teniko hahatonga loza, fa tsy soa; ary ho tanteraka eo imasonao izany amin'izany andro izany. 17 Nefa hovonjeko ianao amin'izany andro izany, hoy Jehovah, fa tsy mba hatolotra eo an-tànan'ny olona izay atahoranao. 18 Fa hovonjeko tokoa ianao ka tsy holavon-tsabatra; eny, ny ainao no ho babonao, satria efa natoky Ahy, hoy Jehovah.

Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo 

Jeremia 39.11-18

Raha mitopy amin’ity  Jeremia ity  dia hita taratra  fa maniraka mpaminany  ny  Tompo  mba hanambara   izay hanjo   ny tanàna . Araka izany :

Ny fandresena  ny fijaliana dia :

1-Amin’ny alalan’ny fihainoana :

2-Amin’ny alalan’ny fahatokiana

Amin’izao  vaninandro  izao  dia mbola maniraka olona ny  Tompo, mba hananantsika fahatokiana . Andriamanitra velona sy  mahery  ny Tompontsika . Manome toky  Izy fa hamonjy antsika . Hoy izy hoe: « nefa hovonjeko amin’izany andro izany , hoy i Jehovah , fa tsy  mba atolotro eo an-tànan’ny olona izay atahoranao « (39,17). manamafy izany ny Rom 8.37 manao hoe: « matokia , Izaho efa naharesy izao tontolo izao « . Ny ataontsika rehetra dia hitany  sy fantany  ary tsy misy miafina aminy , fa tsy tiany hisy ho very  na dia iray  aza isika . Meteza « mihaino – mandray -mankato » . Jehovah  no mandeha eo alohanao »(Deo 31.8).

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM