Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo
Mofonaina anio: Alahady, faha 20 Aogositra 2017
Mandresy fijaliana ny vavolombelon'ny Tompo
Genesisy 39.19-23
19 Ary rehefa ren'ny tompony ny tenin'ny vadiny, izay niteny taminy ka nanao hoe: Araka ireo teny ireo no nataon'ilay andevolahinao tamiko, dia nirehitra ny fahatezerany. 20 Ary ny tompon'i Josefa dia naka azy ka nanao azy tao an-trano-maizina, izay fitoeran'ny mpifatotra diso tamin'ny mpanjaka; dia nitoetra tao an-trano-maizina izy. 21 Nefa Jehovah nomba an'i Josefa sy namindra fo taminy ka nampahita fitia azy teo imason'ny mpitandrina ny trano-maizina. 22 Dia natolotry ny mpitandrina ny trano-maizina ho andraikitr'i Josefa ny mpifatotra rehetra izay tao an-trano-maizina; ary izay rehetra nataony tao dia izy no antony. 23 Ny mpitandrina ny trano-maizina tsy mba nikarakara na inona na inona izay efa mby an-tànany, satria Jehovah nomba an'i Josefa, ary izay nataony dia nambinin'i Jehovah.Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo
Genesisy 39.19-23
Ny fandresena ny fijaliana dia:
1-Noho ny famindrampon’ Andriamanitra
Voalaza ao amin’ny and 26 « Fa Jehovah momba an’i Josefa sy mamindra fo taminy ka nampahita fitia azy teo imason’ny mpitandrina ny tranomaizina « .Tsy avelan’ny Tompo hiady irery ny mpanompony . Manomana fandresena miezinezina Izy ,miara-dàlana amin’ny fanatrehan’ny Tompo mandrakariva ny famindrampony sy ny fitiavany indrindra rehefa mijoro amin’ny fahamarinana isika .
2-Noho ny fanambinan’ Andriamanitra
Voasoratra fa : »Jehovah nomba an’i Josefa ary izay nataony dia nambininy ». Ilay tranomaizina izay natao hahakivy, hampitanondrika dia nanjary nahatsapana ny fanambinana avy amin’ny avo indrindra. Izy Tompo no manova ny fotoan-tsarotra ho tonga fandresena araka ny teniny hoe: « ny zavatra rehetra miara-miasa hahasoa izay tia an’ Andriamanitra « . Toy izany koa isika , na dia eo aza ny olana maro samihafa dia afaka miandrandra ny fanambinan’ Andriamanitra hatrany isika.
Fanontaniana:
Tanisao ireo fotoan-tsarotra nodiavinao izay novan’ny Tompo ho fandresena miezinezina .
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM