Mandresy  fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo

Mofonaina anio: Alarobia, faha 02 Aogositra 2017

Mandresy  fijaliana ny vavolombelon'ny Tompo

Salamo 34.1-7
1 [Salamo abidy. Fisaorana sy anatra nataon'izay efa novonjena tamin'ny fahoriana] Nataon'i Davida tamin'izy nody adala teo anatrehan'i Abimeleka, dia noroahiny ka lasa nandeha. Hisaotra an'i Jehovah lalandava aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy. 2 Jehovah no reharehan'ny fanahiko; hahare izany ny mpandefitra ka ho fay. 3 Miaraha mankalaza an'i Jehovah amiko; ary aoka hiara-manandratra ny anarany isika. 4 Mitady an'i Jehovah aho, dia mamaly ahy Izy ka manafaka ahy amin'ny tahotro rehetra. 5 Mijery Azy ireo ka miramirana, sady tsy mangaihay ny tavany. 6 Ity olo-mahantra ity niantso, dia nihaino Jehovah ka namonjy azy tamin'ny fahoriany rehetra. 7 Ny Anjelin'i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy.

Mandresy  fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo

Salamo 34.1-7

Fomba maro  samihafa no nentin’ Andriamanitra namonjy  an’i Davida  tsy ho azon’ny tànan’i Saoly  . Isan’ireny ny hita  ao amin’ny 1 Sam 21.10-15 . Noho  izany  dia velon-kira i Davida ka:

1-Misaotra an’ Andriamanitra (and 1-3)

Mitodika amin’ Andriamanitra  izay namonjy azy ny fanandratan’i Davida . Mirehareha fatratra izy noho ny amin’io Mpamonjiny io . Azo ianteherana mantsy  Andriamanitra manoloana ireo fahavalo  , ka mendrika fisaorana sy fiderana . Miantso ny vahoaka rehetra izy  hiara-hidera an’ Andriamanitra (and3) . Tsy ho an’i Davida irery mantsy  ny famonjena . Fihetsika tsotra takina amin’ny voavonjy ny fisaorana .Koa aoka tsy hanadino izany .

2- Mijoro ho vavolombelona (and 4-7 )

Amin’ity  tapany faharoa ity  dia mitodika amin’ny olombelona indray ny hiran’i Davida . Mamaly , manafaka , mihaino , mamonjy Andriamanitra , hoy ny fanambaran’i Davida. Milaza  ny nataon’ Andriamanitra rehetra taminy izy , ka nasehony fa namely ny antsony Andriamanitra . I Jesoa Kristy  no tena  nanafaka  antsika  tamin’ny tahotra rehetra ary mihaino sy mamonjy  antsika amin’ny fahoriana . Sahia àry manambara izany famonjena  efa nataon’ny Tompo taminao izany .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM