Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 05 Aogositra 2017

Mandresy fijaliana ny vavolombelon'ny Tompo

Lioka 17.20-30
20 Ary Jesosy, nony nanontanian'ny Fariseo izay andro hihavian'ny fanjakan'Andriamanitra, dia namaly azy hoe: Tsy misehoseho no fihavin'ny fanjakan'Andriamanitra. 21 Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, et?! na er? ! fa, indro, ny fanjakan'Andriamanitra dia ao anatinareo*.[*Na: efa eo aminareo] 22 Ary hoy Izy tamin'ny mpianatra: Ho avy ny andro hanirianareo hahita ny anankiray amin'ny andron'ny Zanak'olona, nefa tsy hahita ianareo. 23 Ary ny olona hilaza aminareo hoe: Indro, er? ! na: Indro, et?! nefa aza mandeha ianareo, na manaraka azy. 24 Fa tahaka ny helatra manelatra hatramin'ny faravodilanitra ka mahazava hatramin'ny farany koa, dia ho toy izany ny Zanak'olona amin'ny androny, 25 Fa tsy maintsy mijaly mafy Izy aloha ka holavin'ity taranaka ity. 26 Ary tahaka ny tamin'ny andron'i Noa, dia hisy toy izany koa amin'ny andron'ny Zanak'olona: 27 nihinana izy, nisotro izy, nampaka-bady izy, navoaka hampakarina izy, mandra-pihavin'ny andro izay nidiran'i Noa tao amin'ny sambo-fiara, dia tonga ny Safo-drano ka nandringana azy rehetra. 28 Ary tahaka ny tamin'ny andron'i Lota koa: nihinana izy, nisotro izy, nivarotra izy, namboly izy, nanao trano izy; 29 fa tamin'ny andro izay nivoahan'i Lota avy tao Sodoma, dia nisy afo sy solifara nilatsaka avy tany an-danitra ka nandringana azy rehetra. 30 Dia ho tahaka izany koa amin'ny andro hisehoan'ny Zanak'olona.

Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo

Lioka 17.20-30

Fanontaniana sadasada nataon’ireo  Fariseo  efa resy  lahatra  fa tsy i Mesia i Jesoa : »Aiza ary oviana no hihavian’ny fanjakan’ Andriamanitra ? « . Azontsika handraisana lesona anefa ny valitenin’i Jesoa , fa ny fanjakan’ Andriamanitra dia tsy ety , tsy ery.

1-Aiza? Ao anatinareo ?

Tsy zavatra  hita maso  sy mirentirenty  toy ny fiavin’ny mpanjakan’ny tany  ny  fanjkan’ Andriamanitra . Ny  finoana ao anaty  no handraisana azy . I Jesoa Kristy  tsy maintsy  nijaly  ary mitondra ny otantsika rehetra no fisehony   amintsika . « Ny zanak’olona tsy  amintsy  hijaly  mafy  ka holavin’ny  loholona sy ny lohan’ny mpisorona mbamin’ny mpanora-dalàna sady hovonoiny « Lio 9.22. Ny  faratampon’ny  sitrapon’ Andriamanitra  dia i Kristy  maty  noho ny fahotantsika .

2-Oviana ? Amin’ny  fanarahana an’i Kristy

Andron’i Jehovah na andron’ny zanak’olona no hiantsoana ny fanjakan’ Andriamanitra . Andro  hisehoan’i Jesoa Kristy , andro  famonjena , nefa  andro mahatahotra sy mampangorohoro  , hampisehoana miharihary  izay  nataon’ny  olona . I Noa  sy  i Lota  dia nisafidy  hanao  ny  marina , nihaino  tsara ny  Tenin’ Andriamanitra , voavonjy tamin’ny loza . Mila mivonona hatrany , satria ny fanjakan’ Andriamanitra dia tsy fotoana , na andro  ho  an’ireo  mitozo  amin’ny fanarahana  ny lalàn’i  Jesoa . Io ilay  làlan’ny fijaliana sy ny fahafatesan’i Jesoa , io  no  mitondra any  amin’ny fanjakan’ Andriamanitra .

Fanontaniana:

Raha ho  avy  i Kristy , efa vonona ve ianao ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM