Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo .
Mofonaina anio: Talata, faha 08 Aogositra 2017
Mandresy fijaliana ny vavolombelon'ny Tompo .
Genesisy 3.7-10
7 Dia nahiratra ny mason'izy mivady, ka fantany fa mitanjaka izy; ary nanjaitra ravin'aviavy izy, ka nataony sikina ho azy. 8 Ary nandre an'i Jehovah Andriamanitra nitsangantsangana teo amin'ny saha izy, rehefa ho hariva ny andro; ary ralehilahy sy ny vadiny niery ny tavan'i Jehovah Andriamanitra tao anaty hazo tao amin'ny saha. 9 Ary Jehovah Andriamanitra dia niantso an-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Aiza moa ianao? 10 Dia hoy izy: Nandre Anao tao amin'ny saha aho; dia natahotra aho, satria mitanjaka, ka dia niery.Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo .
Genesisy 3.7-10
Ny fahalavoana
1-Tsy mahavonjy tena ny olombelona
Dia nahiratra ny masony , fantany fa nitanjaka izy . Tsy azo ampitahaina amin’ny fitanjahana eo amin’ny 2.25 ity . Nanjary fanamelohana ny fahafantarana ny tsara sy ny fahitana ny ratsy . Tahotra fa tsy fanenenana no navalin’i Adama (and 9-10) . Vao mainka aza niezaka nanalavitra an’ Andriamanitra tamin’ny fierena no natao .Tsarovy anefa , « sambatra izay miambina ka miaro ny fitafiany , fandrao mandeha mitanjaka izy , ka hita ny fahamenarany » Apo 16.15
2-Andriamanitra manatona
Na dia eo aza izay rehetra mety ho endriky ny fahalemen’olombelona , tsy nanalavitra azy mihitsy Andriamanitra . Indro Andriamanitra , manatona , manakaiky , miantso ary nanontany hoe: « aiza moa ianao? ». Feo malefaka , tsy mibedy , vonona handray sy hamindra fo , mitory fahatsarana ary miseho mivantana amin’ny olona . Efa fomban’ Andriamanitra hatramin’ny fahariana mihitsy ity manatona antsika ity . Ilay Zanak’ Andriamanitra no nanatona antsika olombelona mpanota .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM