Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo .

Mofonaina anio: Alarobia, faha 09 Aogositra 2017

Mandresy fijaliana ny vavolombelon'ny Tompo .

2 Timoty  4.6-8
6 Fa izaho dia efa hatolotra* sahady, ary efa mba akaiky ny andro fialàko. [* Gr. haidina ho fanatitra aidina] 7 Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho; 8 hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an'izay rehetra tia ny fisehoany koa.

Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo .

2 Timoty  4.6-8

1-Ankehitriny  , fiainam-panolorantena (and6)

Vonona  tanteraka ny Apostoly Paoly ny hitsena ny didim-pitsarana hanamelohana azy ho faty  tsy ho  ela . Afapo  tamin’ny fanompoany izy  , ka dia manolotra ny ainy  eo amin’ Andriamanitra . Tsaroana i Jesoa Kristy izay nalainy tahaka , izay  toy  ny fanatitra  atolotra  teo  ambony hazo fijaliana . Fanolorantena  toy  inona  kosa  no maha-vonona  anao ankehitriny ?

2-Ny lasa , fiainam-panompoana (and7)

Tsy  nanenenany ny lasany  . Miaramila , atleta , mpiambina  no  sary  telo  nanehoan’i Paoly  ny fatokiany  tsy niova  an’i Jesoa . Ny fiainany mihitsy  no ambara fa tanteraka . Ny herin’ny  Tompo irery  ihany  no nahafahany  nanao izany . « Hevero  ka lazao  , lazao  izay mba vitanao » (FFPM 353). Hoy i Jesoa : « vita »teo ambony hazo fijaliana .

3-Ny ho avy  , fiainam-pandresena (and8)

Efa  matoky  ny fandreseny i Paoly . Valimpitia atolotr’ Andriamanitra ho an’izay matoky azy ny satroboninahitry  ny fahamarinana , dia ilay  fiainana mandrakizay  . Tapitra  ny adin’ny mpino   ary mibata fandresena miezinezina izy  rehefa miseho  Ilay Jesoa Kristy Mpitsara marina (Rom 8,18,21). Miombona fandresena  avokoa  ny  mpino   mahatoky rehetra .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Ny iraka manaiky ho vavolombelon’ny ...

Zoma, 28 Jolay 2017

Manaiky ho  vavolombelon’ny Tompo ny irany. Asan’ny Apostoly  14.1-10 Ny iraka  manaiky ho vavolombelon’ny Tompo.…

Vavolombelon’ny Tompo ny diakona

Talata, 18 Jolay 2017

Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany. Vavolombelon’ny  Tompo ny  diakona. 1-Amin’ny  fitondrantena Olona nalain-tahaka  amin’ny …

Miara-miasa amin’izay hirahiny ny To...

Alahady, 16 Jolay 2017

                             Manaiky ho vavolombelon’ny  Tompo ny irany Eksodosy 7.14-25 Miara-miasa  amin’izay hirahiny ny Tompo…