Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo .
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 10 Aogositra 2017
Mandresy fijaliana ny vavolombelon'ny Tompo .
Josoa 21.43-45
43 [Ny nahatanterahana ny teny rehetra nataon'Andriamanitra tamin'ny Isiraely] Dia nomen'i Jehovah ny Isiraely ny tany rehetra izay efa nianianany homena ny razany; ary nandova izany izy ireo ka nonina teo, 44 Dia nomen'i Jehovah fitsaharana amin'ny manodidina izy, araka izay rehetra nianiananany tamin'ny razany, ka tsy nisy lehilahy tamin'ny fahavalony rehetra nahajanona teo anoloany; fa natolotr'i Jehovah teo an-tànany avokoa ny fahavalony rehetra. 45 Tsy nisy latsata na dia kely akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nolazain'i Jehovah tamin'ny taranak'Isiraely; fa tanteraka avokoa izany rehetra izany.Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo .
Josoa 21.43-45
Mahatoky amin’ny fanekeny Andriamanitra . Koa notanterahiny izay nianiananany tamin ‘i Abrahama . Zava-tsoa telo loha no notanterahin’ny Tompo tamin’ny Zanak’Israely
1-Nomeny ny tany lova (and43)
Ny Gen 21.7 no nianianan’ Andriamanitra fa hanome ny tany Kanana ho an’ny Zanak’ Israely . Tafita an’i Jordana izy ireo ka afaka nisitraka izany tanteraka ary efa niroso tamin’ny fizarana ny tany (tk 19) . Manambara fanamafisam-piaraha-miasa sy fifamatoram-piainana kokoa amin’ Andriamanitra sy ny vahoaka voafidy izany .
2-Nomeny ny fandriampahalemana (and 44a)
Fandriam-pahalemana no andikan’ny DIEM ny hoe: « fitsaharana » . Any Kanana no hahazoany izany , araka ny Deo 12.9-10. Antsoina hoe: tanin’ny fitsaharana ho an’ny Z anak’ Israely ny tany Kanana . Taratry ny finoana hita maso sy mahavelom-panantenana ny fitsaharana (tk 22).
3-Nomeny ny fandresena (and 44b)
Na dia nanana tanjaka sy ny heriny rehetra aza ireo mponina tao Kanana , dia zary lasa natahotra ny Zanak’ Israely avokoa .Marina tamin’izy ireo fa tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao amin’ny andro rehetra iainanao (Jos 1.5a) . Nanjary lasa firenena nanana ny fiandrianany tanteraka izy ireo . Nohamorain’ Andriamanitra mihitsy ny adin’ny Israely .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM