Mandresy  fijaliana ny  vavolombelon’ny  Tompo  

Mofonaina anio: Zoma, faha 11 Aogositra 2017

Mandresy  fijaliana ny  vavolombelon'ny  Tompo  

2 Timoty  2.8-13
8 Tsarovy Jesosy Kristy Izay natsangana tamin'ny maty, dia Ilay avy tamin'ny taranak'i Davida, araka ny filazantsarako, 9 izay iaretako fahoriana hatramin'ny fatorana aza, hoatra ny mpanao ratsy; nefa ny tenin'Andriamanitra dia tsy mba voafatotra. 10 Izany no iaretako ny zavatra rehetra noho ny amin'ny olom-boafidy, mba hahazoan'ireny koa famonjena. dia izay ao amin'i Kristy Jesosy. mbamin'ny voninahitra mandrakizay. 11 Mahatoky izao teny izao: Fa raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa; 12 raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy; raha mandà Azy isika, Izy kosa handà antsika; 13 fa na dia tsy matoky Azy aza isika, dia mbola mahatoky ihany Izy, fa tsy mahazo mandà ny tenany.

Mandresy  fijaliana ny  vavolombelon’ny  Tompo  

2 Timoty  2.8-13

Ny Filazantsaran’ny  fitsanganana amin’ny  maty

1-no hahazakana fahoriana 

Mamerina  antsika  amin’ilay  andro tokana  niaretan’i Jesoa Kristy  ny kapoka , ny latsa, eso , hazo fijaliana ary fahafatesana . Tao Aminy no nianaran’i Paoly ka tonga mpiombona fahoriana amin’i Kristy izy . Tsy nitsangana tamin’ny maty mihitsy i Kristy raha tsy  niaritra ny fahafatesana aloha . Ny Filazantsara  no mampianatra  antsika  hanahaka  an’i Kristy  . Izy  no efa  nitondra fahoriana mihoatra antsika .

2-no miantoka ny famonjena 

Andriamanitra  mahatoky  i Jesoa Kristy ka tsy  mahazo  mandà ny  tenany   momba ny  famonjena . Famonjena no antony nahafatesany ary porofon’izany  ny  nitsanganany tamin’ny maty  . Tsy  nohazonin’ny fahafatesana  Izy  satria Andriamanitra mandresy . Mizara  izany fandresena izany ho an’ny mino  mahatoky  ihany  koa Izy . Izay  nizaka ny fahoriana toa Azy  , dia  ampanantenainy  famonjena  ka hiara-belona Aminy  koa.

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Ny iraka manaiky ho vavolombelon’ny ...

Zoma, 28 Jolay 2017

Manaiky ho  vavolombelon’ny Tompo ny irany. Asan’ny Apostoly  14.1-10 Ny iraka  manaiky ho vavolombelon’ny Tompo.…

Vavolombelon’ny Tompo ny diakona

Talata, 18 Jolay 2017

Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany. Vavolombelon’ny  Tompo ny  diakona. 1-Amin’ny  fitondrantena Olona nalain-tahaka  amin’ny …

Miara-miasa amin’izay hirahiny ny To...

Alahady, 16 Jolay 2017

                             Manaiky ho vavolombelon’ny  Tompo ny irany Eksodosy 7.14-25 Miara-miasa  amin’izay hirahiny ny Tompo…