Mandresy  fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo .

Mofonaina anio: Alahady, faha 13 Aogositra 2017

Mandresy  fijaliana ny vavolombelon'ny Tompo .

Daniela 3.19-30
19 Dia feno fahatezerana Nebokadnezara, ka niova ny tarehiny tamin'i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, dia nasainy nafanaina ho impito mihoatra noho ny famana azy ny lafaoro. 20 Ary izay lehilahy matanjaka indrindra tamin'ny miaramilany no nasainy namatotra an'i Sadraka sy Mesaka ary Abednego sy nanipy azy tao anatin'ny lafaoro nisy afo mirehitra. 21 Dia nafatotra ireo lehilahy ireo, nefa mbola teny aminy ihany ny lobany sy ny akanjony ary ny kapitiny mbamin'ny fitafiany hafa koa, ka dia natsipy teo anatin'ny lafaoro nisy afo mirehitra izy; 22 ary satria mafy ny tenin'ny mpanjaka, ka natao mahamay indrindra ny lafaoro, dia matin'ny lelafo ireny lehilahy izay nanipy* an'i Sadraka sy Mesaka sy Abednego.[Ar. nampiakatra] 23 Ary izy telo lahy ireo, Sadraka sy Mesaka sy Abednego, dia voatsipy am-patorana teo anatin'ny lafaoro nisy afo mirehitra. 24 Dia talanjona Nebokadnezara mpanjaka ary nitsangana faingana izy ka niteny tamin'ny mpanolo- tsainy hoe: Moa tsy telo lahy mifatotra va no natsipintsika tao anatin'ny afo? Dia namaly ny mpanjaka ireo ka nanao hoe: Marina izany, ry mpanjaka ô. 25 Ary hoy izy: Ka no indro aho mahita efa-dahy tsy mifatotra, mandehandeha eo anaty afo, nefa tsy maninona tsy maninona akory izy; ary ny fijery ilay fahefatra dia toa zanak'ireo andriamanitra. 26 Dia nanatona ny varavaran'ny lafaoro nisy afo mirehitra Nebokadnezara ka niantso hoe: Ry Sadraka sy Mesaka sy Abednego, mpanompon'Andriamanitra Avo Indrindra, mivoaha, ka avia at?. Dia nivoaka avy teo anatin'ny afo Sadraka sy Mesaka ary Abednego. 27 Dia nifanatona ny solo-mpanjaka sy ny mpanapaka sy ny governora ary ny mpanolotsain'ny mpanjaka ka nahita ireo lehilahy ireo, fa tsy nanan-kery hampaninona ny tenany akory ny afo, na nisy singam-bolo nikainkona tamin'ny lohany, na niova ny lobany, ary tsy nisy fofon'afo akory taminy. 28 Nebokadnezara niteny ka nanao hoe: Isaorana anie Andriamanitr'i Sadraka sy Mesaka sy Abednego, Izay naniraka ny anjeliny hamonjy ny mpanompony izay natoky Azy ka nandika ny tenin'ny mpanjaka ary nanolotra ny tenany tsy hanompo na hivavaka amin'izay andriamani-kafa, afa-tsy Andriamaniny ihany. 29 Ka dia manao lalàna aho fa ny fokom-pirenena sy ny firenena sy ny samy hafa fiteny rehetra izay manao teny tsy mety ny amin'Andriamanitr'i Sadraka sy Mesaka sy Abednego dia hotetitetehina, ary hatao trano fivoahana ny tranony; fa tsy misy andriamani-kafa mahavonjy tahaka izao. 30 Ary Sadraka sy Mesaka sy Abednego dia nasandratry ny mpanjaka tamin'i Babylona sy ny fehiny.

Mandresy  fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo .

Daniela 3.19-30

Lehibe mihoatra noho   ny sariolona  volamena  mirefy  30 m ny haavony  sy  3 m ny sakany , nataon’i Nebokadnezara Andriamanitra . Tsy vitan’izany   fa:

1-Mamonjy  ny mpanompon

Ny fahatokian’i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego an’ Andriamanitra (and16-18) no tsy mampanan-kery ny  afo  hampaninona ny tenany  . Na dia  toa tafakatra  faran’izay mafy  aza ny afo  na ny olana sedraina dia tena  miara-mandeha   amin’ny mpino  Andriamanitra ( and 25), ka manafaka  amin’ny loza rehetra ,saingy  mahasolafaka ny mpampahory kosa (and22). Marina  amin’ny mpino  ny hoe: « na dia hisy arivo  aza lavo  eo anilanao  sy iray alina eo ankavananao  , dia tsy hihatra aminao izany  » Sal 91.7 .

2-Mambabo ny mpitondra fanjakana 

I Nebokadnezara mpanjaka mihitsy  no nahita  ny famonjena  azy telo lahy  ka niantso  ny mpiara-miasa aminy rehetra avy eo  (and27) . Manaiky fanindroany  an’ Andriamanitra  ny mpanjaka eto (2,47;3,28-29). Nanompo sariolona volamena izy kanefa tonga nampanaiky an’ Andriamanitra indray . Didim-panjakana mihitsy  no navoaka  ary toa nitsimbadika amin’izay  manao  zinona  an’ Andriamanitra ny fanamelohana . Na iza na iza toa ambony sy manana ny voninahiny dia mbola hiondrika eo  anatrehan’i Jesoa  Kristy  lehiben’ny mpanjakan’ny tany .

Fanontaniana: