Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo .

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 14 Aogositra 2017

Mandresy fijaliana ny vavolombelon'ny Tompo .

Salamo  118.5-18
5 Tao an-katerena no niantsoako an'i Jehovah; Dia namaly ahy Jehovah ka nampahalalaka ahy. 6 Jehovah no miandany amiko, ka tsy hatahotra aho. Inona no azon'ny olona atao amiko? 7 Jehovah no miandany amiko, sady mamonjy ahy; Ary izaho ho faly hahita ny amin'izay mankahala ahy. 8 Tsara ny mialoka amin'i Jehovah Noho ny mialoka amin'ny olona. 9 Tsara ny matoky an'i Jehovah Noho ny matoky ny mpanapaka. 10 Ny firenena rehetra nanodidina ahy; Fa ny anaran'i Jehovah no handringanako azy tokoa; 11 Nitangorona tamiko ireny, eny, nitangorona tamiko; Fa ny anaran'i Jehovah no handringanako azy tokoa. 12 Nanodidina ahy tahaka ny renitantely izy; Voavono tahaka ny afon-tsilo izy; Fa ny anaran'i Jehovah no handringanako azy tokoa. 13 Nanosika ahy mafy hahalavo ahy ianao; Fa Jehovah no namonjy ahy. 14 Jehovah no heriko sy fiderako. Fa efa famonjena ahy Izy. 15 Ao an-dain'ny marina ny feo mihoby noho ny famonjena; Ny tanana ankavanan'i Jehovah mampiseho hery; 16 Ny tanana ankavanan'i Jehovah dia misandratra; Ny tanana ankavanan'i Jehovah mampiseho hery. 17 Tsy ho faty aho, fa ho velona Ka hitory ny asan'i Jehovah. 18 Nofaizan'i Jehovah mafy aho, Nefa tsy natolony ho amin'ny fahafatesana.

Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo .

Salamo  118.5-18

Salamo  mampiseho  ny fankalazana  ny Paska  sy ny manodidina azy ity  .Hita eto ohatra ny maha- vato nolavin’ny mpanao trano  an’i Jesoa (and22) sy  ny fiakarany tao Jerosalema (and26) .

Ny voavonjin’i Jehovah  

1-Miandany amin’ny Tsitoha (and5-13)

Ao an-tanàna  dia asehon’ny mpanao salamo  fa miandany aminy i Jehovah , indrindra manoloana ireo fahavalo mamely mafy . Ambara  fa ny fahatokian’ny mpitondra  sy ny vahoaka  no nahatanteraka  izany . Tonga matahotra  , levona ary tsy manankery  ny fahavalo manodidina  noho ny herin’ Andriamanitra  mitoetra ao amin’ny mpino  . Manana toky  hatrany ny mpino  fa i Jesoa Kristy  no miandany  amin’ny adiny rehetra .

2-Mitoetra ao an-tranon’i Jehovah

Mitarika  ny sain’ny voavonjy  ho any an-dain’ny marina ny mpanao salamo  (and15). Mitoetra ao amin’ny tempoly  ny famonjena .Ny tànana ankavanan’i Jehovah miaro amin’ny fahafatesana . Mifamatotra mandrakariva  ny tranon’ Andriamanitra sy ny famonjeny  . Tsy mahasoa  ny mpino   ny manalavitra ny tranon’ Andriamanitra . Ao amin’ny fiangonana  no hanekena  an’i Jesoa  ho Tompo  ary hahazony  hery  handavany  ny asan’ny satana  rehetra , hoy ny fanekena batisa .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM