Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo

Mofonaina anio: Talata, faha 15 Aogositra 2017

Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo

Matio 10.21-23
21 Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny mba ho faty, ary ny ray hanolotra ny zanany; ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy sy ny reniny ka hahafaty azy. 22 Ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny anarako; fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena. 23 Ary raha manenjika anareo amin'ny tanàna anankiray ny olona dia mandosira ho any amin'ny hafa; fa lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy hahatapitra ny tanànan'ny Isiraely ianareo tsy akory mandra-pahatongan'ny Zanak'olona.

Mandresy fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo

Matio 10.21-23

Efa nampionona antsika ny Tompo mba hananantsika faharetana eo anatrehan’ny disadisa , lonilony izay taratry ny korontana eo anivon’ny ankohonana sy ny mpianakavy . Eo anatrehan’ireo : Ny vavolombelon’ny Tompo dia :

1-Mandresy manoloana ny ady atrehany

Efa voasoratra fa « ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny mba ho faty , ary ny ray hanolotra ny zanany ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy sy ny reniny ka hahafaty azy » (Mat 10.21). Hita taratra ny fahatanterahan’ireo eo amin’ny fiaraha-monina . Ny ankohonana kristiana kosa dia mahatsiaro fa azo atao tsara ny miaina amim-pirahalahiana , mandresy ny fifankahalana noho ny fanatrehan’i Kristy .

2-Manana faharetana

Fifankatiavana , fandeferana, faharetana no toromarika omen’ny  Tompo, hiatrehana  ny fijaliana . Tsy sitraky  ny  Tompo  ny herisetra sy ny valifaty  fa fifankatiavana no asetriny  ireo . Tsy  noteneniny fotsiny fa niainany mihitsy ny hoe: »izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena »  (Mat 10.22) .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM