Mandray fananarana ny manetry tena

Mofonaina anio: Alahady, faha 08 Desambra 2024

Ohabolana 29.15-23

Ohabolana 29.15-23
15 Ny tsorakazo sy ny anatra no manome fahendrena; Fa ny zaza aranana mampahamenatra ny reniny. 16 Raha maro ny ratsy fanahy, dia mitombo ny ota; Fa ny marina ho faly mahita ny fahalavoany. 17 Faizo ny zanakao, dia ho famelombelomana ny fonao izy Sy ho fifalian'ny fanahinao. 18 Raha tsy misy fahitana, dia atondraka hanaram-po amin'izay tsy mety ny olona; Fa raha mitandrina ny lalàna kosa izy, dia sambatra. 19 Raha teny fotsiny ihany, dia tsy ampy hananarana ny mpanompo; Fa na dia fantany aza, tsy hankatoaviny*.[Heb. tsy misy valiny] 20 Hitanao va ny olona faingam-bava? Ny adala aza misy hantenaina kokoa noho izy. 21 Ny mpanompo izay nampihantaina hatry ny fony mbola kely Dia hihambo ho zanaka any am-parany. 22 Ny olona mora tezitra manetsika ady; Ary ny olona masiaka dia be fahadisoana. 23 Ny fiavonavonan'ny olona no hampietry azy; Fa hahazo voninahitra kosa ny manetry tena.

Mandray fananarana ny manetry tena

Tena ilaina ny fananarana ny zanaka mba handraisany ny tena fiainana araka an’Andriamanitra. Asongadin’ity mofonaina ity fa izay mafy hatoka sy tsy mandray fananarana dia ho ringana. Izay manetry tena no mora anarina.

1- Fananarana (and.15-17)

Tena ilaina ny fananarana sy ny famaizana. Fiarovana ahafahana mitoetra amin’ny tena fiainana izany. Manana fifaliana ny ray aman-dreny rehefa miaina amin’ny fahendrena ny zanany satria mirindra ny fiainan’ny fianakaviana. Raiso ny andraikitra ka mahaiza mananatra.

2- Ny enti-mananatra (and.18-20)

Tsy efan’ny sain’olombelona fotsiny ihany ny fananarana, na ny teny alahatra araka ny fiasan’ny saina mandritry ny fotoana hitenena mananatra, mety ho latsaka amin’ny fahadisoana aza ny mpananatra. Noho izany zava-dehibe, tena ilaina hoenti-mananatra ny zanaka ny Tenin’ Andriamanitra. Mifandraisa amin’Andriamanitra ka ny Teniny izay omeny anao no entinao mananatra ny zanakao.

3- Tezao amin’ny fanetren-tena ny zanaka (and. 21-23)

Mamolavola toe-tsaina ny fitaizana atao amin’ny olona iray. Mahadiso lalana ilay beazina na ny mpanompo ny fomba fitondrana azy, raha tsy misy fananarana, raha tsy misy fanamaizana. Indrindra fa raha ampihantaina izy ireny dia hihevitra fa miavaka amin’ny hafa ka hanao izay tiany hatao. Tezao ho amin’ny famaizana sy ny fanetren-tena mandrakariva ny olona manakaiky anao fa mahasoa azy izany.

Fanontaniana:

Lazao ireo olana atrehina amin’ny fitaizana sy ny fanabeazana amin’ny vanim-potoana ankehitriny.

Sampana Sekoly Alahady Foibe