Mandra-pahavin’ny Tompo…
Mofonaina anio: Zoma, faha 24 Novambra 2023
Marka 13.24-37
Marka 13.24-37
24 Fa amin'izany andro izany, raha afaka izany fahoriana izany, ny masoandro hohamaizinina, ary ny volana tsy haneho fahazavana, 25 ary ny kintana hiraraka avy eny amin'ny lanitra, ary hohozongozonina ny hery izay ao amin'ny lanitra. 26 Ary amin'izay ny Zanak'olona dia ho hita avy eo amin'ny rahona amin'ny hery lehibe sy ny voninahitra. 27 Ary amin'izay dia haniraka ny anjely Izy, ary hanangona ny olom-boafidiny avy amin'ny vazan-tany efatra* hatramin'ny faran'ny tany ka hatramin'ny faran'ny lanitra.[*Gr. rivotra] 28 Ary mianara ny fanoharana ny amin'ny aviavy: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona. 29 Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky eo am-baravarana Izy*.[*Na: izany] 30 Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mba ho lany* ity taranaka ity** mandra-pahatongan'izany rehetra izany. [* Gr. handalo] [** Na: ity firenena ity] 31 Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona. 32 Fa ny amin'izany andro na ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjely any an-danitra, ary na dia ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany. 33 Mitandrema, miambena*, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian'ny fotoana.[*Gr. miareta tory] 34 Izany dia tahaka ny olona nandeha hivahiny, izay nandao ny tranony ka nanome fahefana ny mpanompony, ka samy notolorany ny raharahany avy, ary ny mpiandry varavarana dia nasainy niambina tsara; 35 Koa miambena ianareo, fa tsy fantatrareo izay andro hihavian'ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina, 36 fandrao avy tampoka izy ka mahita anareo matory. 37 Ary izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin'ny olona rehetraMandra-pahavin’ny Tompo…
Voalazan’i Jesoa fa tsy misy mahafantatra ny andro ahatongavany eny amin’ny rahon’ny lanitra. Mba tsy ho tampoka amin’ny olony izany dia manome famantarana sy toromarika ahafahan’ny mpino miomana Izy. Inona no atao amin’izany? Tsy variana amin’ny eto an-tany fa misaina hatrany ny ho avy dia ilay fiainana mandrakizay, Iarahana mahita fa ny fiainana eto an-tany dia tsy ilaozan-javatra manahirana. Tokony haorina tsara ny finona sy ny fanantenana, araka ny voasoratra hoe: «Raha amin’izao fiainana izao ihany no anantenantsika an’ i Kristy dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika» (1 Kor 15. 19). Ataovy tsara ny fiomanana hitsenana ny fiavian’ny Tompo.
« Ireo mpanompo mahatoky dia ireo manatanteraka tsara ny andraikitra napetraky ny tompony taminy, na dia tsy eo aza ilay tompo. Mino, manantena fa mbola ho avy ilay tompony ka tsy manao an-tsirambina ny andraikitra natolotra azy; miasa fatratra ho anilay tompony amin’ny fiambenana. Toetra toy izany no takian’i Jesoa Tompo amintsika mpanompony. Manao asa fanompoana Azy isika na dia tsy hitan’ny masontsika hibedy antsika aza Izy; aoka samy hanao tsara ny asany sy hitandrina ny didiny isika. Amin’izany, raha mitoetra ho mpanompo mahatoky isika dia samy hahazo fankasitrahana avy Aminy rehefa miverina indray Izy.
Misaina ny ho avy ihany ve ianao sa variana amin’ny ankehitriny?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM